Tranga

Halatra omby : dahalo maty voatifitra

Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana ny dahalo iray anisan’ireo nandray anjara tamin’ny halatra omby tao Ambaiboho, fokontany Am­ba­to­mikatraka, kaominina Anjoman’Akona, afakomaly. Nangalatra omby miisa 12 tao amin’io tanàna io izy sy ny namany. Nanara-dia ny fokonolona ka maty voatifitr’ireo dahalo ny telo. Nanao fanadihadiana ny zandary. Lehilahy iray tsy lavitra ny tanàna […]

Marovoay : lehilahy nahatrarana rongony 2 gony

Noraisim-potsiny teo am-pidorohana rongony ny lehilahy iray anatin’ny tanàna Ma­roala, kaominina Antanima­saka, distrikan’i Marovoay, ny 11 avrily teo. Sendra nanao fisafoana ny zandary kinanjo nahita azy tsy nihafahafa ni­doroka zava-mahadomelina. Nosavaina, arak’izany, ny trano fonenan’io lehilahy io. Tratra tao ny rongony roa gony mahatratra 28 kg. Nen­tin’ny zandary nogiazana ireto […]

Andriamena – Betsiboka : lavon’ny bala i Bota, dahalo mpaka an-keriny

Maty voatifitry ny zandary i Bota Gène, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao Andriamena, anatin’ny faritra Betsiboka, ny 9 avrily teo. Nandray anjara tamina tranga fakana an-keriny tsy latsaky ny telo ity dahalo ity. Anisan’izany ny tranga tao Manakana Vohimbohitra, ny septambra 2022. Naka ireo olona telo mianaka tamin’io fotoana […]

Vono olona: jiolahy raindahiny voatifitra

Namoahan’ny polisy filazana fikarohana, maty rotiky ny bala tetsy Ankazomanga ny jiolahy iray nitondra antsilava, afakomaly alina. Nam­pihorohoro olona maro eny amin’ny manodidina an’i 67 Ha sy Ankasina iny ity jiolahy ity. Tsy vitan’ny manendaka an-dalambe miaraka amin’ny fitaovam-piadiana toy ny zava-maranitra izy. Mamaky trano ary mamono ho faty ireo […]

FITEAM: mitaky ny hanasaziana ireo zandary nitifitr’olona tao Amboasary

Niara-niombom-peo ny Fikambanan’ny Terak’Androy eto Madagasikara (Fiteam) manoloana ny herisetra nataon’ireo zandary tamina raiamandreny sady lehiben’ny andrimasom-pokonolona ao Amboasary Atsimo, ny 1 marsa 2023 teo. Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao ga­zety, omaly, no nanamafisan’izy ireo izany. Araka ny fanazavan’ny solontenan’ny mpikambana, Mbola Ma­monjisoa Jean Chrysostôme, tamin’io fotoana io tao amin’ny […]