Niakatra fampanoavana, omaly, niara-notanana vonjimaika any am-ponja ny mpanao vola sandoka roa lahy tratra tetsy Antaniavo-Antohomadinika, boriboritany voalohany. Mody nividy sigara tamin’ny mpivarotra teny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Antohomadinika sy Mahitsy izy roa lahy, ny talata 15 oktobra teo. Nanolotra vola 20 000 Ar ho an’ny mpivarotra ireto farany ka […]
Tranga
Nanakorontana sekoly : efa-dahy nifanjehana anaty ala kakao
Efatra lahy samy tsy mianatra intsony nitora-bato ny mpianatra tao amin’ny Lisea Tsiaraso, fokontany Ambatomenavava, kaominina Ambanja , omaly maraina. Nandritra ny fotoam-pianaran’ny mpianatra, nitondra vato avokoa ireo andian-tovolahy ireo. Nitora-bato ny mpianatra. Nisavorovoro vokatr’io ireo mpianatra rehetra teo anivon’ny lisea, araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Nandositra avokoa […]
Tsy fantatra izay tsy nifanarahana : jiolahy nifamono, voatsindron’antsy i Dàna
Hafa kely indray ! Nisy zavatra tsy nifanarahana teo amin’ireto jiolahy nifamono tao Antsarakofafa Toamasina, ny talata alina teo. Notsatotsatohan’ireo namany tamin’ny antsy ny jiolahy iray… Jiolahy samy jiolahy indray no nifamono tamin’ny fomba feno habibiana. Jiolahy iray 28 taona fantatra amin’ny anaram-bositra i Dàna. Maty vokatry ny tsatok’antsy nataon’ireo namany […]
Notoranina tamin’ny Rôrô : vehivavy naolana tao anaty hotely
Ravan’ny polisy notarihin’ny kaomandin’ny Fip Toamasina, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Sylvano, 21 taona. Nandritra ny hetsika “THB Tours” teo anoloan’ny Araben’ ny Fahaleovantena no saika hanatanterahin’ity jiolahy ity ny tsatok’antsy tamina olona iray, ny sabotsy. Mbola nitohy […]
Manerinerina : lehilahy votsotra teo an-tanan’ny dahalo
Tafatsoaka tampoka teo am-pelatanan’ny dahalo mpaka an-keriny ny lehilahy iray, tao Manerinerina, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tonga tao amin’ny zandary ao Mahatsinjo ny lehilahy iray, anisan’ireo nalain’ny dahalo an-keriny tany Amboditetina Andranomiely, ny 13 oktobra 2024 teo. Tao anatin’ny fanadihadiana tsotsotra azy no nitantarany tamin’ny […]





