Tranga

Fetin’ny Paka… : 62 ireo nandalo tao amin’ny HJRA

Nihena raha mihoatra amin’ny isan-taona ny antontan’ isa vonjimaika voaray teo anivon’ny sampana vonjy taitra sy fameloman’aina ao amin’ ny HJRA, Ampefiloha. Ho an’ny alahady sy ny alatsinainy (hatramin’ny 3 ora tolakandro nandalovana teny an-toerana), 62 ireo olona nandalo fizahana tao amin’ny hopitaly. Araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray ao amin’ny […]

Andoharanofotsy : nivarotra rongony ireo mpivarotra hani-masaka

Nanararaotra nivarotra rongony ireto mpivarotra sa­kafo masaka tao Belam­banana Andoharanofotsy, omaly. Ni­fanotofana rahateo ny fividianana sakafo teny an-toerana satria fety ny andro. Tsy vitan’ny sakafo ihany anefa no namidin’izy ireo fa nivarotra rongony ihany koa. Araka ny tatitra nampi­tain’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ando­harano­fotsy, mody mividy sakafo ny mpifoka rongony […]

Anosipatrana : fanafihana nitsefotra, jiolahy enina matin’ny polisy

Saika hanafika saingy tratra mialohan’ny fotoana. Jiolahy enina maty rotiky ny balan’ny polisy misahana ny heloka bevava, sakelika fahefatra, teny Anosipatrana, ny zoma alina. Nihorohoro ny mponina teny Anosipatrana sy ny manodidina ny zo­ma alina teo, nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy. Tsy ni­fandrenesana ny poa-basy teny […]

67 ha : naiditra am-ponja Rasta mpanendaka

Naiditra am-ponja avy hatrany taorian’ny fanolorana azy ny fampanoavana, afakomaly, Rasta jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana eny 67 ha Avaratra. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria, boriborintany fahafito (CSP7) izy, ny herinandro teo. Maro ny trangana tsy fandriampahalemana miseho lany amin’iny faritr’i 67 ha sy ny manodidina iny. Nandray fepetra […]