Mitaky ny hamerenana ny omby 95 nangalarin’ny dahalo ny fianakavian’ny ben’ny Tanàna teo aloha tao amin’ny kaominina Ampamata, omaly. Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fanafihana mitam-piadiana ny alin’ny zoma 20 septambra teo, io ben’ny Tanàna teo aloha io. Norobain’ny dahalo ny ombiny mitotaly 95 niampy omby tamin’ny fokontany hafa. […]
Tranga
Tanjombato : trano fanaovana fanaka may
Nitrangana haintrano goavana indray teny Tanjombato, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina teo ho eo. Trano lehibe fanamboarana fanaka ity kila hotohoton’ny afo ity. Tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra niaraka tamin’ireo fitaovana ary fanaka efa vita kasaina hamidy. Haingana ny fiitaran’ny afo ka niampita tamin’ireo trano teo amin’ny […]
Lehilahy nalefa any am-ponja : zaza miisa fito nasesiny naolana
Telo taona ny zandriny indrindra amin’ireo zaza miisa fito naolan’ny lehilahy iray. Tratra tao Mahajanga ity farany ary notanana am-ponja. Voasambotry ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny fitaleavam-paritra Boeny ny lehilahy iray nanolan-jazavavy miisa fito tao amin’ny fokontany Antanamalandy, kaominina Mahajanga, ny 11 oktobra teo. Anisan’ny nananan’ny fianakaviana fahatokisana ity lehilahy […]
mpisoloky amin’ny facebook : saron’ny polisy teny Tanjombato
Voasambotry ny polisy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka (Cybercriminalité), teny Tanjombato, ny talata teo, ny lehilahy iray mpisoloky amin’ny alalan’ny facebook. Mody mitady sarina vehivavy ao amin’ny facebook izy ka mamorona kaonty sandoka. Mampiresaka lehilahy nofidiany mialoha izy ka hanaovany resaka miendrika fivarotan-tena miaraka amin’ny sarin’ireo vehivavy […]
Olona iray maty: Rallye nandona mpitaingina moto
Nitrangana lozam-piarakodia teny Mahitsy, omaly hariva. Fiara mpanao rallye iray no nifatratra tamina mpitondra moto nanao taingin-telo. Nisy fifaninanana momba ny hazakazaka fiarakodia teny amin’ iny faritra iny. Noheverin’ireo mpandeha moto fa hoe tsy misy fiara mandalo intsony tamin’ny lalana nandehanan’ izy ireo ka tsy taitra akory nandeha tamin’ny lalana […]





