Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antsiranana ireo olona 15 vosaringotra tamin’ilay fanondranana olona antsokosoko tatsy amin’ny nosy Mayotte. Olona efatra hafa nahazo fahafahana vonjimaika. Niakatra fampanoavana nanomboka afakomaly ny olona 19 voarohirohy tamin’ilay sambo rendrika nitondra mpiondrana antsokosoko saika ho atsy amin’ny nosy Mayotte, andro vitsy lasa izay. Nitohy hatramin’ny […]
Tranga
Tsy fandriampahalemana: mirongatra ny asan-dahalo any Menabe
Tsy milamina ! Mirongatra ny asan-dahalo mampijaly sy mampitoreo ny mponina any Menabe. Anisan’izany ny nahafatesana zandary iray tany amin’ny kaominina Befasy, Morondava raha ny tapany atsimo. Mavaivay koa ny tsy fandriampahalemana ho an’ny any avaratra. Nisehoana « Kidnapping » ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina Tsarahotana, Belo Tsiribihina. Nalaina an-keriny ireo […]
Fanafihana tokantrano nisy fahoriana : jiolahy roa lahy maty voatsatok’antsy
Nikorontana ny fiarahamonina tao amin’ny fokontany Tambohomandrevo-Fianarantsoa, omaly hariva. Nanafika tokantrano iray tra-pahoriana ny jiolahy roa lahy nirongo zava-maranitra tokony ho tamin’ny 4 ora sy fahefana teo. Niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo mpanafika ka nikendry ireo fao-dranomaso an’ireto tompom-pahoriana. Nanohitra anefa ny fokonolona. Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa […]
12 andro aty aoriana… : hita ihany ny fatin’i Sefo Sedrick Nantenaina
Efa 12 andro aty aoriana, hita ihany ny vatana mangatsiakan’i Sefo Sedrick Nantenaina rehefa nanaovana tagnamaro ny fikarohana azy. Ny 8 marsa 2023 lasa teo izy no tra-doza rehefa niampita radier nihazo an’Ivohibe, niaraka tamin’ny lehiben’ny distrikan’ Ivohibe. Nisy ny fifanomezan-tanana teo amin’ny zandary sy ny fokonolona tamin’ny fikarohana ny […]
Lalamby Ampefiloha : jiolahy tratra teo am-panendahana vehivavy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny hery vonjitaitran’ny polisim-pirenena (FIP) teo amin’ny lalamby Ampefiloha, afakomaly ny jiolahy raindahiny iray mpanao sinto-mahery. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’io fotoana io no nahitan’izy ireo vehivay iray niantso vonjeo fa nisy nisintona ny findainy. Raha ny nisy teny an-toerana, lehilahy iray monina tsy […]