Lavon’ny balan’ny zandary i Gadoko, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana ao Bemaitso, fokontany Ambatolampy, distrika Andilamena, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Nokarohina hatry ny ela, naharay loharanom-baovao ny zandary miasa ao an-toerana fa mihaodihaody tsy lavitra ny distrika io dahalo io sy ny mpiara-manao asa ratsy […]
Tranga
Toamasina: nidiran’ny jiolahy ny tranon’ny filohan’ny AJT
Nidiran’ny roa lahy antsokosoko ny trano fonenan’ny filohan’ny Fikambanana mpanao gazety ao Toamasina (AJT), tao amin’ny fokontany Analakininina, Hopitaly Be, parisela 12/21-22, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 19 jona teo. Namita iraka ivelan’i Toamasina ny filohan’ny fikambanana ka tsy tao an-tranony. Finday maromaro an’ny vady aman-janak’ilay mpanao gazety lasibatra sy […]
Latsaka tanaty lavaka : zandary maty, ilay zaza avotra!
Nitady toerana avo hiantsoana amin’ny finday, nilatsaka tampoka tao anaty lavaka ny zandary mpiana-draharaha, tao Ankazobe. Namoy ny ainy izy. Maty tampoka rehefa nilatsaka tsinahy tao anaty lavaka ny zandary mpiana-draharaha iray, omaly. Tao amin’ny fokontany Ambohimanarina, kaominina ambanivohitra Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe no nisehoan’izany. Nalefan’ny lehibeny nanao fisafoana teny amin’io fokontany […]
RN5 : mpandeha Tuc-tuc iray maty, naratra ny mpamily
Namoizana ain’olona iray indray teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy teo amin’ny 17 km tsy hidirana ny tanànan’i Soanierano Ivongo, omaly maraina. Naratra mafy ny mpitondra ny Tuc-tuc niharan-doza. Niainga avy any Ampasimbe, nikasa hihazo an’Ambatonigara. Nandeha mafy loatra anefa ny mpamily ka tra-doza tampoka izy ireo. Nivadibadika tamin’ny arabe ilay Tuc-tuc. […]
Nanolan-jaza 14 taona: mpimasy iray tratra
Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray nanao mpimasy sandoka tao Mahajanga, omaly. Tsy vitan’ny nisoloky, mbola naolan’ny lehilahy iray mitono-tena ho mpimasy koa ny zazavavy 14 taona, zanaky ny fianakaviana iray nosolokiany tao Mahajanga. Nampanantenain’io lehilahy io fa hahazo fahasoavana lehibe io fianakaviana nosolokiany io. Namidin’ny lasibatra avokoa ny […]




