Hitan’ny mpitandro filaminana ilay vehivavy mitondra vohoka, anisan’ireo avotra tamin’ilay lozan-dranomasina ny sabotsy teo. Nitsoaka toy ireo namany hafa avotra tamin’ilay loza izy saingy hitan’ny mpitandro filaminana ny hopitaly nisy azy. Ankehitriny, hanokafana famotorana io vehivavy io sady manohy ny fitsaboana ihany koa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, nahatratra 22 ireo […]
Tranga
Moto nifandona tamina kamiao: Zazalahikely 3 taona sy ny mpitaiza azy naira-maty
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena fahaefatra lalan’ny atody, ny sabotsy teo. Ankizilahikely iray vao 3 taona sy ny lehilahy iray 40 taona mpitaiza azy no indray namoy ny ainy. Avy any Antanetibe Mahazaza ilay moto, nanao taingin-telo nisy an’ilay zaza. Kamiao iray avy aty Mahitsy, mifanohi-dalana aminy kosa ilay […]
RN7: fiara niala tany nihotsaka nifandona
Olona valo naratra vokatry ny fifandonan’ny fiara tsy mataho-dalana iray sy taksibrosy teo amin’ny lalam-pirenena faha-7, PK-254 + 050, ny sabotsy teo tamin’ny 7 maraina. Avy any Atsimo ity fiara 4×4 ity ka sendra tany nihotsaka tao anaty arabe. Niala io tany io ny mpamily kinanjo nifatratra tampoka tamin’ny taksibrosy […]
Ambolokandrina : mpangalatra vilany tratra
Tsy mety fay mihitsy ! Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2), raha tsy izany saika matin’ny fitsaram-bahoaka ireo jiolahy roa avy namaky trano, omaly tamin’ny 5ora sy 30 mn maraina, teny Ambolokandrina. Tratra teny amin’izy roa lahy ireto ny gonibe iray feno […]
Efa nahazo vola 1 600 000 Ar… : tratra ny lehilahy iray nisandoka ho mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny PAC
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha teny Ankadindramamy, ny zoma teo, ny lehilahy iray 54 taona voarohirohy ho tompon’antoka tamina fisandohana andraikitra. Nahazo angom-baovao ny polisy miasa ao amin’ny CSP7 fa misy olona misoloky sy misandoka andraikitra. Rangahibe iray no tompon’antoka amin’izany. Milaza ity […]