Tranga

Avy nandray fisotroan-dronono: raim-pianakaviana sy ny mpiasany nisy namono tao an-tranony

Raim-pianakaviana iray no maty voafira antsy tamin’ny tendany, omaly, tao Toamasina. Novonoina niaraka taminy ihany koa ny mpanampiny. Hita faty novonoina tamin’ ny fomba feno habibiana tao an-tranony, ao Camp Docker P/lle 31-11 Tanambao II, Toamasina, omaly, ny raim-pianakaviana iray 84 taona sy ny mpanampiny vavy iray. Voakapa ny antsy […]

Naiditra am-ponja : nisoloky ho mpiasan’ny Madagascar Airlines

Tsy mety fay mihitsy! Tra­tran’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andoharano­fotsy, ny 8 jona 2024 teo, ny lehilahy iray nisoloky milaza ho mpiasa ao amin’ny kaompania Madagascar Airlines. Milaza ity mpisoloky ity fa mahatafiditra olona hiasa ao amin’io kaompania io. Nam­barany tamin’ireo olona solokiany fa mandray mpiasa ity kaompaniam-pitaterana ana […]

Vangaindrano : 14 lahy nahatrarana rongony 56 gony

Rongony 56 gony saron’ny zandarimaria tao amin’ny fo­kontany Mariany, kaominina Ampasimalemy, distrikan’i Van­gaindrano, ny omaly. Nikasa hitatitra ireo zava-mahadomelina ireo ny lehilahy miisa 16. Tsikaritry ny olon-tsotra anefa izany ka nampandre ny mpitandro filaminana izy ireo. Tra-tehaka teo am-pitaterana ireo rongony tamin’ny gony am-polony ny lehilahy maromaro. Niezaka handositra avy […]