Tranga

Voasambotra ny iray : mpangala-bomanga matin’ny vahoaka

Voasambotry ny fokonolona ny mpangalatra vomanga roa lahy tao Atsinanantsena fokontany Ambatobe Fisa­hanana, kaominina Antana­mbao, ny faran’ny herinandro teo. Naka vomanga teny an-tanimboly, nahatratra 3 gony ireo entana sarona teny amin’izy mirahalahy. Sarona teo am-panatontosana io asa ratsiny io izy roa lahy. Raikitra ny fisamborana nataon’ny fokonolona. Nanohitra izany anefa […]

Fakana an-keriny : mitombo isa ireo karohina

Misesisesy ny anaran’olona hatao hazalambo momba ilay fakana an-keriny tao Ambohimanarivo, Morarano chrome, roa herinandro lasa izay. Taorian’ny namoahana ny didy fikarohana an’i Maha­leojaona Fanome­zan­tsoa sy Mamy Tiana Landry Jacques. Ankehitriny, karohina fatratra ihany koa Rasolonjatovo Jean Charles na i Jady. Toy ny an’ireo namany roa lahy etsy ambony no […]

Namono mpianaka : olona efatra maty voatifitry ny zandary

Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny kaominina Manakambahiny, distrikan’Ambatondrazaka, ny zoma hifoha sabotsy teo. Maty voatifitry ny zandarimaria ireo olona efatra tompon’antoka, namono nahafaty an’ilay renim-pianakaviana talen-tsekoly sy ny zanany vavikely. Nampivarahontsana ny tranga nahazo an’ireo mpianaka novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, ny talata teo, tao amin’ny fokontany Antanimena, kaominina Manakambahiny […]

Nisandoka ho manamboninahitra…: lehilahy iray nilaza ho chef de brigade-n’ ny andiany faha-38

Noraisim-potsiny ! Tonga teny Antanety II ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga noho ny fitokonan’ny mpianatry ny ESPA Vontovorona, afakomaly tolakandro. Nisy lehilahy iray na­nakana ny fiara nitondra azy tamin’io fotoana io. Nilaza izy fa hoe manamboninahitra ni­voaka tao amin’ny andiany mivantana faha-38 tao amin’ny Akademia Mia­ramila (Ac­mil), Antsirabe, izy. Fantatry ny kaomandin’ny […]