Tranga

Fifampitifirana teto an-dRenivohitra: jiolahy telo matin’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy teny Namontana, afakomaly, i Tsilakely. Tafakatra telo ny mpanendaka sy mpanao fanafihana mitam-basy voatifitra tao anatin’ny efatr’andro. Nirefodrefotra indray ny basy teny Namontana. Lavon’ny mpitandro fila­minana i Tsilakely, jiolahy raindahiny, afakomaly alina. Lehiben’ny mpanao fanafihana mitam-piadiana “Bande des huit” eny amin’ny manodidina. Nanao ezaka manokana ny polisim-pirenena hamongorana […]

Itaosy: tratra ireo efa-dahy nanendaka mpitondra moto

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana avokoa, omaly, ireo olon-dratsy miisa efatra na­nendaka sady nangalatra moto teny Itaosy. Hamonjy fodiana, nitondra moto ny raim-pianakaviana iray teny Antanimenakely, kaominina Itaosy, ny alin’ny 9 jona tamin’ ny 11 ora sy sasany alina. Nosakanan’ny lehilahy miisa efatra anefa izy. Tsy afa-nandositra ilay mpitondra moto. Nosavain’ireo […]

Marary tsy nisy mpanati-kanina : lehilahy maty tao amin’ny hopitaly

Lehilahy, narary tao amin’ny hopitaly iray no matin’ny hanoanana. Tsy nahavita manati-kanina ho azy ny fianakaviany izay tena sahirana. Tsy nisy olon-kafa niantra ihany koa izy. Namoy ny ainy, ny talata maraina teo, ny raim-pianakaviana iray rehefa nianjera teo an-tokotanin’ny Hopitalibe Toamasina. Noho ny hanoanana no antony nahafaty azy, araka […]

nidona tamin’ny sisindalana : mpitondra moto maty teny Fenoarivo

Namoy ny ainy teo no ho eo ny raim-pianakaviana iray nitondra kodiaran-droa teny Fenoarivo, anatin’ny lalam-pirenena voalohany, afakomaly alina. Hamonjy fodiana, ni­haran-doza tampoka io lehilahy io. Nidona mafy tamin’ny sisin’arabe ny moto nentiny, araka ny nambaran’ireo nanatri-maso. Nitsirara teo afovoan-dalana ilay lasibatra. Tsy nahetsika intsony izy. Tsy nisy aina intsony. […]