Tranga

Sambo rendrika: Vata-mangatsiaka iray hita

Hitan’ny fokonolona teny amoron-drano, omaly tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina, teo ny nofo mangatsiaka iray tamin’ireo mpandeha rendrika ny alarobia teo. Avotra soamantsara saingy mbola mitsabo tena ao amin’ ny hopitaly ao Farafangana kosa ireo namany roa hafa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, eny amin’ny 45 km miala […]

Jly Rakotonirina Richard : «Tokony hiray hina hatrany ny Foloalindahy…»

“Zava-dehibe amin’ny Fo­­loalindahy ny maha tandroka aron’ny vozona, miaro ny fiandrianam-pirenena. Be­tsaka ny fanaratsiana mampisara-bazana ny Tafika sy ny zandary”, araka ny fanaza­van’ny minisitry ny Fia­ro­vam-pi­re­ne­na sady minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakoto­ni­rina Richard nandritra ny fambolezan-kazo tao amin’ny toby famaharan’ny Tafika an’habakabaka “Base aérienne 213” Arivonimamo, om­a­ly. […]

Taksiborosy nivadika: olona iray maty, dimy naratra

Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny RN7 anatin’ ny PK 205 + 300 teo An­dra­no­takatra, fokontany Ambohi­man­jaka, omaly maraina ta­min’ny 04 ora sy sasany. Niala tany Toliara ity taksiborosy ity. Nifandimby niteny ny mpamily vokatry ny fandehanana mafy ireo mpandeha sasantsasany. “Efa nampitandrina ny mpamily […]

Mponin’i Maromby, Amboasary Atsimo : “Tafahoatra ny fihetsiky ny mpitandro filaminana…”

Tonga eto an-dRenivohitra ny solontenan’ireo mponina avy any amin’ny Kaominina Maromby, Amboasary Atsimo any Anosy. Velon-taraina tanteraka izy ireo amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fihetsiky ny mpitandro filaminana. “Tena maharary. Man­jaka ny asan-dahalo fa eo koa ny ataon’ny mpitandro filaminana”, hoy ny solontenan’ny mponina, i Lords Justin, tetsy Ambohijatovo, omaly. […]

Rongony mahery vaika: tsy hita mazava ny misy ilay Jeneraly polisy

Hotanterahina ao amin’ny « Avenue de l’indépendance » ao Toamasina anio, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ ny DSRP ny faritra Atsina-nana teo aloha sy ny mpisolo toerana. Marihina fa nitàna io andraikitra io teo aloha ilay jeneraly polisy voasaringotra tamin’ny raharaha rongony mahery vaika, tetsy By-pass, ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’io, voatonontonona […]