Nitsangana ny vondron’ireo rantsamangaika samihafa misehatra amin’ny fikirakirana ny fitaovam-piadiana. Nisy ny fivoriana niompana tamin’izany teny Ampahibe, notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Delphin, omaly. Ity vondrona ity, eo ambany fiahian’ny MFA, ahitana ireo andrimpanjakana sy ireo departemanta eo anivon’ny minisitera isan-tsokajiny ary ny mpivarotra basy (Neron). Toromarika […]
Tranga
Fahatapahan-drano lavareny : mitroatra ny mponina!
Mampiaka-peo sy maneho ny hatezerany ny mponina eto an-dRenivohitra noho ny fahatapahan-drano tsy ahitam-bahaolana. Misy ny midina an-dalambe sy mandoro kodiarana. Miitatra isaky ny fokontany, naneho ny tsy fahafaliany manoloana ny tsy fisian’ny rano ny mponin’Antananarivo Renivohitra. Nanakan-dalana, nitsoka kiririoka ny fokonolona tetsy Ambohijatovo-Ivandry, omaly. Nidina an-dalambe, nisintona lakolosy manoloana […]
Paka tao Toamasina : olona valo voatsatoka antsy
Tsy nahasakana ny olona tsy hanao fety ny fisian’ny rotsakorana nandritra ny alatsinain’ny Paka, tao Toamasina. Tonga maro teny amoron-dranomasina ny olona. Na teo aza anefa izay fahabetsahan’ny olona izay, tsy nisy kosa ny loza an-dranomasina fa nilamina amin’ny ankapobeny ny fiatrehana ny fety. Amin’ny maha fety ny andro, niakatra […]
Vohitsarahasina: omby tsy ara-dalàna tratra
Saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Vohitsarahasina ny olona nitondra omby tsy nisy taratasy ny alin’ny 28 marsa 2024, tamin’ny 11 ora sy 30 mn. Fiaraha-miasa teo amin’ireo andrimasom-pokonolona sy ny lehiben’ny zana-tobim-paritra Vohitsarahasina no nahazoana izao vokatra izao. Nilaza ireo andrimasom-pokonolona fa misy olona mitondra omby mihazakazaka mihani-bohitra ao […]
Nandroba 6 tapitrisa Ar: jiolahy enina maty voatifitra
Nifanenjehan’ny fokonolona sy ny zandary, jiolahy enin-dahy maty nandritra ny fifanjevoana tao amin’ny kaominina Morafeno, afakomaly. Nibaboka sy nitolo-batana ny vehivavy namany. Namoy ny ainy nandritra ny fisamborana azy ny jiolahy enin-dahy nandroba vola mitetina 6 000 000 Ar tao amin’ny fokontany Mamoeramanjaka, kaominina Morafeno, distrika Arivonimamo, ny harivan’ny alarobia […]




