Mitohy ny hala-botry ataon’ireo jiolahy. Raim-pianakaviana iray naterin’ny fokonolona teny anivon’ny zandary rehefa avy nangalatra tao Soatolakandro, fokontany Ambodivohitra, distrikan’ Ikalamavony, ny 27 janoary teo . Nidina handrehitr’afo tao ambany rihana ny renim-pianakaviana iray. Foana tsisy intsony ny vary 160 kg tao amin’ny fitoerany . Niantso vonjy, arak’izany, io ramatoa […]
Tranga
Vatomandry : tratra ireo jiolahy namono mpanangom-bokatra
Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Vatomandry, ny talata lasa teo, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ny renim-pianakaviana mpanangom-bokatra amin’iny tapany atsimon’i Vatomandry iny. Araka ny fanampim-panazavana voaray avy amin’ny kaomandin’ny borigadin’i Vatomandry, ny GPHC, Rambeloson Solo Jean Richard, vokatry ny vela-pandrika nataon’ny zandary no nahavoasambotra azy tao Ilaka […]
Novonoin’olon-tsy fantatra : vehivavy maty voatsatok’antsy
Naratra mafy vokatry ny tombok’antsy nahazo azy, namoy ny ainy teny amin’ny CSB II Sahamena, Lanary fokontany sahamena, kaominian Andrainjato/centre, distrikan’i Lalangina, ny alin’ny 26 janoary teo ny vehivavy iray . Vao 18 taona monja, tsy niala alavitra akory ny trano fonenany fa teo amin’ny 300 m ity vehivavy ity. […]
Sezan-dry Mompera: narian’ireo jiolahy teny Ambohijatovo
Hitan’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany (CSP1) Analakely, ny 27 janoary 2023, teny amin’ny faritra Mandrosoa Ambohijatovo, ny seza plastika miisa 20. Nandritra ny fisafoana mahazatra fanaon’ny polisy eny amin’iny faritra iny no nahitan’izy ireo olona roa nitondra zavatra lavalava teo Mandrosoa Ambohijatovo akaikin’ny fiangonana adventiste. Navelan’izy ireo […]
« Héroïne »: roa lahy mpanao trafika tratra tetsy 67 ha
Tsy vitan’ny mivarotra, mitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika koa ireto roa lahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana tetsy 67 ha ireto, ny asabotsy lasa teo. Tanora vao herotrerony avokoa ireto roa lahy nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina tetsy 67 ha ireto, ny alin’ny zoma 27 janoary hifoha asabotsy 29 janoary […]