Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Foibe Atsimondrano eny Tanjombato, afakomaly, ny jiolahy iray tratra nangalatra moto an’ny orinasa iray. Tao amina trano iray vao amboarina no tratran’ny polisy ny jiolahy iray niaraka tamin’ny moto halatra izay nanaovan’ny tompony fitarainana ny talata 26 marsa 2024. Araka ny fitoriana nataon’ny […]
Tranga
Antsirabe : telo lahy nahatrarana vola sandoka
Vola sandoka 18 tapitrisa Ar tratra teny amin’ireo telo lahy nosamborin’ny polisy tao Antsirabe, ny alatsinainy 25 marsa teo. Nokasain’ireo mpisoloky ireo amidy sy aparitaka tao amin’ny renivohitr’i Vakinakaratra tao anatin’ity herinandro mialoha ny fankalazana ny fetin’ny paska ity ireo vola sandoka ireo. Mponina avy eto Antananarivo ilay lehilahy iray […]
Tsy fandriampahalemana: Tsimponin’ny jiolahy ny mpitandro filaminana
Manao ezaka goavana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny mpitandro filaminana. Indrisy ! Mihantsy sy mahasahy azy ireo ny olon-dratsy. Hany ka misy ny lavo am-perinasa. Vao afakomaly, nisy ilay zandary G2C maty notifirin’ny dahalo tao Ankerabe distrikan’i Maintirano. Miaramila roa lahy manao asa fampandrian-tany no nifanehatra tamina andian-dahalo mpanao fanafihana […]
RN2: mpanampy mpamily maty voahosin’ny kamiao
Lehilahy iray 24 taona no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, tao Analamiorika, kaominina Antsampanana, distrikan’i Brickaville, afakomaly. Maty teo amoron-dalana ny fiara iray mpitatitra entana. Tampoka, nifandona ireo kamiao lehibe ka nifatratra ivelan’ny arabe ny iray. Voadona tamin’io fotoana io ny mpanampy ny mpamily kamiao […]
Miarinarivo: mpanolan-jaza naiditra am-ponja
Notanana vonjimaika am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ilay lehilahy nanolana ankizivavy 14 taona tao amin’ny fokontany Ampaisokely, kaominina Miarinarivo, afakomaly. Nanamparany ny filan-dratsiny io zazavavy tsy ampy taona io, tamin’ny 11 marsa lasa teo. Mpitaiza ilay zaza no asan-drangahy. Nanararaotra nanao ny filan-dratsiny ity farany rehefa tsy tao an-tokantrano ny […]




