Noraisim-potsiny ! Saron’ny zandary teo Ampanotokana RN4, afakomaly, ny taksiborosy iray nitondra rongony natao colis. Nanatontosa fisavana entana ireo zandary tamin’io fotoana io ka tratra tao ambany seza ity fonosan’entana mampiahiahy ity. Niroso tamin’ny fisavana ny entana ireo zandary ka voamarina nandritra izany fa rongony tsara fono milanja 33 kg izany. […]
Tranga
Morondava : mpanao gazety efatra tra-doza
Nentina niakatra eto an-dRenivohitra nampanarahina fitsaboana ny iray tamin’ireo mpanao gazety efatra niharan-doza tao Morondava, omaly atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany. Tra-doza nandritra ny fitsenana ny filohan’ny Antenimierandoholona tany an-toerana, omaly, ny fiaran’ny polisim-pirenena iray. Nitaingina io fiara io anefa ireo mpanao gazety ireo. Tsy tafavily tamin’ny fihodinana mihazo […]
NisandoKA ho zandary : lehilahy iray voasambotra
aNosamborin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray nisandoka ho lietnà ao Ambodivoara, fokontany Andranovao, kaominina Ambohimangakely, ny 1 avrily teo. Nandritra ny fankalazana ny alatsinain’ny Paka, nandrindra ny fifamoivoizana teny an-toerana ny zandary ka sendra io lehilahy io. Tsy nanaiky nosakanana izy. Efa naharenesana fofona toaka, nanevateva ny zandary nanao ny […]
Tovolahy ahina ho novonoina : nofiraina tamin’ny antsy ny tendany
Maty tamin’ny fomba feno habibiana ny tovolahy iray. Voalaza fa matin’ny fitsaram-bahoaka noho ny fanolanana izy. Miahiahy vono olona niniana natao kosa ny mponina. Tsy fantatra mazava ny tena marina! Maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny tovolahy iray, ny fiandohan’ity herinandro ity. Andaniny, voatondro ho nanolana zaza tsy ampy […]
Akon’ny fetin’ny Paka: nahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana
Vita iny ny fety! Polisy 1 250 indray nahetsika ho an’ny teto Analamanga nanomboka ny 29 marsa hatramin’ny alatsinain’ny Paka teo. Raha ny antontanisa navoakan’ny teo anivon’ny polisim-pirenena nandritra ny fety teo, nahatratra 159 ireo olona tratra nanao fandikan-dalàna. Olona iray nanao fanafihana mitam-piadiana ka nampiasa zava-maranitra raha dimy tratra namaky […]




