Nahitsy ny hafatra nomen’ ny minisitry ny Foloalindahy (MFA) Sahivelo Monja Lala Delphin amin’ireo miaramila eo ambany fifehezany, nandritra ny lanonana roa sosona notanterahina teny Ivato. Teo ny nandraisan’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety vaovao ny fibaikoana, ny Jly Rakotoson Jocelyn sy ny famindram-pibaikoana teo amin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, […]
Tranga
Fifandonana nahery vaika: Zandary iray namoy ny ainy
Zandary iray namoy ny ainy vokatry ny fifampitifirana tamin’ny dahalo, tao amin’ny tanànan’i Vohasina, fokontany Ambalamontana, kaominina Amborompotsy, distrikan’Ambatofinandrahana, ny marain’ny talata 19 marsa teo. Dahalo 50 lahy nitam-piadiana nanafika tao amin’io tanàna io. Nifanome-tanana ny fokonolona sy ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra Amboropotsy nisambotra ireo mpandroba. Nanapoaka basy avy […]
Ady tany: lehilahy 70 taona maty novonoina
Vaky loha sy vava! Maty nodarohina ny lehilahy iray 70 taona, ny talata teo. Roa lahy voasambotry ny zandary. Voalaza fa ady tany no ao ambadiky ny raharaha. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray efa fotsivolo ny harivan’ny talata lasa teo. Tompon’antoka tamin’izany ny zanaka ben’ny Tanàna teo aloha sy […]
Nanambana antsy tompon-trano : jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Naratra mafy, nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ny mpamaky trano iray niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Fankakamandroso, kaominina Ambohitranandriana, distrikan’ Antsirabe II, ny 18 marsa teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, anatin’io fokontany voalaza io, ilay lehilahy mpangalatra, tamin’ny 4 ora maraina. Nihevitra izy fa mbola rendriky ny torimaso ny tompon-trano ka […]
Tanjombato: vehivavy nahatrarana héroïne 21 fonosana
Naiditra vonjimaika any am-ponja, omaly, ilay vehivavy nahatrarana héroïne tetsy Tanjombato. Voasambotry ny polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina avy ao Anosy, ny talata 19 marsa teo, izy. Naharay angom-baovao ny mpitandro filaminana fa manaparitaka io karazan-javamahadomelina mahery vaika io, eny amin’ny kaominina Tanjombato sy ny manodidina, ity renim-pianakaviana ity. […]




