Tafakatra dimy ireo olona voarohirohy amin’ny raharaha halatra vy amin’ny andrinjiron’ny Jirama ao Manandona Antsirabe. Mitohy kosa ny fikarohana ireo mpiray tendro amin’ny fanimbana fananam-bahoaka. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tonga nametraka fitoriana tao amin’ny zana-tobim-paritra Manandona ny orinasa Tozzigreen, mpihary herinaratra miorina ao Sahanivotry, distrikan’Antsirabe II, fa misy manongotra […]
Tranga
Gadra nandositra : roa lahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Jiolahy roa no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Mandritsara, omaly. Gadra nandositra izy ireo ary mbola nanohy ny asa ratsiny indray izao tratra izao. Nodarodarohan’ny fokonolona, namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy ireo roa lahy nangalatra omby tao amin’ny fokontany Ambalantsotry, kaominina ambanivohitra Ambodiamontana Kiangara, distrikan’i Mandritsara, omaly. Naharay fampahafantarana […]
Ady tao anaty karaoké : tovolahy iray naratra voavelin’ny tavoahangy
Voatery nozairina mihitsy ny lohan’ilay tovolahy novelesina andian-jatovo tamin’ny tavoahangy teo amin’ny lohany tao Salazamay Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tovolahy fantatra eo amin’ny sehatry ny fanaovana fanatanjahantena ao an-toerana ity niharam-boina ity. Tratran’ny ady tambabe izy tao amina trano fisotroana malaza iray akaikin’ny hopitaly manara-penitra. Niara-nisotrosotro tamin’ny sakaizany ity […]
Mahazoarivo: May ny caserne militaire EP1
Nitrangana haintrano mahatsiravina teny Mahazoarivo, omaly tolakandro. Nirehitra ny caserne militaire EP1 eny an-toerana, lalana mankany amin’ny Primatiora. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina nifehy ny afo. Nanomboka tamin’ny 4 ora mahery teo ny firehetana ary tsy maty izany raha tsy tamin’ny 5 ora tany ho any. Tsy niala teny […]
Fanafihana tamin’ny kalach : tompon-trano maty novonoin’ ny jiolahy
Nopitsohin’ny jiolahy miisa 12 ny tokantrano iray ao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’Ankazobe. Maty voatifitra ny lehilahy iray, nisy vaviantitra hafa naratra. Maty voatifitra teo amin’ ny tratrany ny raim-pianakaviana iray, 34 taona, monina ao amin’ny fokontany Anjezika, kaominina Mahavelona, distrika Ankazobe. Namoy ny ainy vokatry ny tifitr’ireo olon-dratsy izy, ny […]




