Namoy ny ainy am-perinasa ny zandary efa-dahy, ny faran’ny herinandro teo. Maty an-drano teny am-pamitana iraka izy ireo. Misaona ny zandarimariam-pirenena. Maty am-perinasa, natelin’ny rano teny am-pamitana iraka ny zandary efa-dahy. Miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Soakibany, ao amin’ny tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Atsimo Atsinanana ny telo lahy : Zandary kilasy voalohany Zafindramara Tris, […]
Tranga
Fanesorana fako: tsy nandray karama, mitokona ny mpiasa
Mpiasan’ny SMA efatra no nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, nandritra ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo. Nitokona sy voalaza fa nanakorontana ny fifamoivoizana teny Ampasampito izy ireo. Nambara fa anton’ny fitokonana tsy nandray karama izy ireo. Sady nobahanana daba ny arabe no naongan’ny mpanao fihetsiketsehana izany. Naparitan’izy ireo teny an-dalàna, ny fako tao […]
Matetika miditra am-ponja: lavon’ny polisy ny jiolahy mpamerin-keloka
Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao amin’ny fokontany Tsararano Ambany, Mahajanga, omaly maraina, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra arahina herisetra. Efa fanta-daza amin’ny resaka halatra sy fanendahana ao an-drenivohitry ny faritra Boeny ity jiolahy ity. Tsy vitan’izay fa mpamerin-keloka sy efa matetika migadra ihany koa izy, raha ny tatitra nampitain’ny […]
Tafika Malagasy: hifantoka amin’ny fiarovana anatiny
Tontosa omaly ny fandraisan’ny jeneraly Rakotoarivelo Deramasinjaka Manantsoa ny fibaikoana ny Tafika Malagasy. Anisan’ny ho mpisehatra fototra amin’ny fiarovana anatiny an’i Madagasikara ny Foloalindahy. Notanterahina teny amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny famindram-pibaikoana teo amin’ ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika (CEMA) teo aloha, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny jeneraly […]
Ambohimalaza : tratra ny mpisoloky, manao fanamian’ny Tafika
Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, omaly ilay lehilahy nisandoka ho Tafika. Olona telo hafa indray nalefa eny amin’ny fonjan’Antanimora noho ny fisandohana asa sy andraikitra (nilaza ho miasa eo anivon’ny Tafika Malagasy). Nitohy hatrany ny fanadihadiana lalina nataon’ny zandary momba ilay raharaha fisolokiana ho miaramila eo anivon’ny Tafika […]




