Maty rotiky ny balan’ny zandary ny dahalo raindahiny antsoina hoe José kely tao Ambohibary, Antsirabe II. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, lasan’ny mpangalatra ny omby iray tao Mahazina fokontany Antsapanimahazo, kaominina Antsoatany, distrikan’Antsirabe II. Niroso tamin’ny fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona sady nampandre ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohibary. Roso […]
Tranga
Fanendahana teo Ampasika : Lehilahy voatsatoka antsy antsy teo amin’ny lohany
Naratra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray notsatohan’ny jiolahy antsy teny Ampasika, omaly. Lasan’ireo mpanafika ny kitapo niaraka amin’ny vola… Raim-pianakaviana iray hamonjy asa vao maraina no niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy telo nirongo basy sy zava-maranitra teny Ampasika, omaly vao maraina. Teo am-piandrasana taxi-be hihazo an’Ivato no tonga nanatona azy […]
«Ahina ho matin’aretina»: lehilahy hita faty tao an-tanimbary
Hita faty tao an-tanimbary, teny Antsahakely fokontany Vonelina, omaly tolakandro, ny lehilahy iray, izay efa nokarohin’ny fianakaviany andro maromaro. Mbola hita teny am-babeny, tao anaty kitapo, ny entana vao avy novidiany. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Itaosy, araka ny fampitam-baovao nomen’ny rain’io lehilahy niharam-boina io : ” […]
Manazary : rangahibe tratra namboly rongony
Noraisim-potsiny ! Voasambotry ny zandary, omaly tao Falimanarivo, kaominina Manazary Miarinarivo, ny rangahibe iray 73 taona tompona sahan-drongony. Nahazo angom-baovao ny zandary momba ny fisian’ity rangahibe ity miaraka amin’ny namany iray 40 taona mpanao trafikana rongony ao amin’ny kaominina Manazary. Nidina ifotony nanao fisafoana ny zandary mpanao fisafoana. Nahitam-bokany izany […]
Nisarahan’ny sakaizany: teratany thaïlandais nananton-tena
Hita faty, nihantona tamin’ny fametahana lambam-baravarana tao an-tranony ny teratany thaïlandais iray. “Ahina ho namono tena noho ny olana ara-pitiavana izy”, hoy ny zandary. Zava-doza! Teratany thaïlandais iray, miasa amin’ny orinasa lehibe ao Toamasina no hita faty tao amin’ny efitranony. Nifatotra tady ny tendany, nihantona tamin’ny hazo fametahana lambam-baravarana izy. […]




