Tranga

nalaina an-keriny: avotra izy mianadahy, dahalo iray lavo

Votsotra tany amin’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny ireo ankizy mianadahy fito sy folo taona natao takalonaina tao Miandrivazo, iray volana lasa izay. Dahalo iray maty voatifitry ny zandary, iray hafa kosa naratra, saingy mbola tafaporitsaka. Ny alatsinainy lasa teo, tonga tao Belomotsy, faritra manasaraka an’i Manambina sy Ankilizato ireo mpanara-dia omby […]

Dahalo raindahiny : maty voatifitry ny zandary i Desta be

Maty lavon’ny zandary, ny faran’ny herinandro teo, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Desta be. Dahalo efa namoahan’ny polisin’i Be­henjy fikarohana, nanomboka ny volana marsa lasa teo izy ity. Nanatanteraka fampandrian-tany tao amin’ny faritra iadidiany ny zandary tao Ambatolampy. Voasambotra nandritra izany ity jiolahy raindahiny ity. “Tamin’ny alalan’ny traikefa matihanina no […]

Fitsongoan-dia: Dahalo 28 maty, 156 voasambotra

Nahatratra 156 ireo dahalo voasambotrin’ny zandarimarian’Imerina centrale tamin’ny resaka fakana an-keriny hatramin’ny niandohan’ny taona. Miisa 28 kosa ireo lavo taorian’ny fifandonana. N ahatratra 156 isa ireo dahalo voasambotrin’ ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina centrale hatra­min’ny niandohan’ny taona. Voasaringotra tamin’ny resaka fakana an-keriny avokoa ireo dahalo tra-tehaka ireo. Miisa […]

Ambatondrazaka : raim-pianakaviana nitambotsotra tampoka

Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray nitsirara tampoka tao Tanambao Am­batondrazaka, afakomaly. Nisy nahita nitambotsotra tampoka teo amin’ny lalana manamorona an’i Tanambao ity lehilahy ity, ny alatsinainy lasa teo. Tsy fantatra mazava izay nahazo azy. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana, araka iza­ny, ireo olona manodidina. Nanao izay ho afany […]

Raharaha Andohan’Ilakaka : nirohotra teny amin’ny tobin’ny zandary ny mponina

Raikitra ny savorovoro tao Andohan’Ilakaka, taorian’ilay vono olona nahatsiravina natao an’ilay renim-pianakaviana, ny alarobia teo. Omaly, nirohotra nihazo ny tobin’ny zandary ao an-toerana ny fokonolona nitaky ny hamoahana ilay lehilahy voalaza ho namono azy. Niely tao an-toerana mantsy fa voasambotry ny zandary ilay rangahy, antony nahatonga ny fokonolona saika hanao […]