Tranga

Fasan’ny Karana : lehilahy nahatrarana sokatra

Naiditra am-ponja eny Antanimora rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly, ny lehilahy iray nahatrarana sokatra 50 isa teny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Fasan’ny Karana. Tratran’ny polisin’ny CSP5 Mahamasina teny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka amin’ny zotra nasionaly Fasan’ny karana ity lehilahy ity, ny talata 30 janoary lasa teo. Nentin’ny taksiborosy niainga avy […]

Vono olona mahatsiravina: raim-pianakaviana maty voakapa famaky

Lehilahy 39 taona, maty nihosin-dra niharan’ny vono, omaly maraina. Hitan’ny fokonolona nitsirara teo amoron-dalana ny fatiny. Nivoa-dra teo amin’ny lohany! Raim-pianakaviana iray hita faty tao amoron-dalana tao amin’ny fokontany Betaikomby, kao­minina ambanivohitra Maro­tampona, distrikan’i Tsiroa­nomandidy, omaly maraina. Mpandalo handeha hiasa maraina no nahatsikaritra ny vatana mangatsiaka nitsirara tamin’ny tany. Nikoropaka […]

Halatra posy : 2 lahy saika matin’ ny fitsaram-bahoaka

Mirongatra izaitsizy ny asan-jiolahy ao Toamasina. Halatra moto, posy, vaky trano ary fanendahana no tena manjaka tanteraka ao an-toerana. Taorian’ny fivoahan’ireo voafonja nisitraka ny famotsoran-keloka avy amin’ny filoham-pirenena no voalaza fa nampirongatra indray ity tsy fandriampahalemana ity. Vokany, andian-jiolahy tratran’ny fitsaram-bahoaka tao Morafeno Toamasina raha efa nifanenjehana eran’ny tanàna. Voalaza […]

Sahasinaka: lamasinina nivadika, olona telo namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dalamby indray tao amin’ny PK 110, Saha­si­naka Fenomby, distrikan’i Manakara, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy 30 mn. Zotra an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa – Manakara (FCE) no nivadika, nivoaka ny lalamby teny am-pandehanana. Vokany, olona telo indray namoy ny ainy, ny iray maty voatsindry tao ambany lamasinina, iray […]

Vao nivoaka ny fonja: vehivavy tratra teo am-pivarotana rongony

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, afakomaly, ireo vehivavy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ ny zava-mahadomelina Anosy, teny Itaosy sy Ambo­hi­tri­manjaka, izy roa vavy, ny 29 janoary 2024 lasa teo. Fivarotana rongony sy fahatrarana fitaovana fihinanana zava-mahadomelina […]