Fatim-behivavy iray nifangaro tamin’ny fako, tao amin’ny lakandrano ao Antarandolo, Fianarantsoa, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra tongotr’olona nipoitra teo amin’ny fako anaty rano. Nitangorona ny manodidina nijery ny zava-nisy. Niantso ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny mpitandro filaminana izy ireo. Nakarina tao anatin’ny ranom-potoka io vatana mangatsiaka io. Ankizivavy vao […]
Tranga
Loza an-dalamby: niampy iray ny maty tao Manakara
Niampy iray indray ireo olona maty tamin’ilay loza an-dalamby tao Manakara, ny alarobia teo. Vehivavy iray 20 taona namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly nitsaboana azy. Tafakatra efatra, araka izany, ireo olona maty tamin’ity lozam-pifamoivoizana an-dalamby ity. Teo anelanelan’i Fenoamby sy Sahasinaka, distrikan’i Manaraka, no nitranga ny loza tamin’io fotoana […]
Ady amin’ny Kidnapping: hisy ny hetsika “Harato”, ataon’ny tafika sy ny zandary
Mihantsy ny mpitandro filaminana ny jiolahy mpaka an-keriny ao Ankazobe. Manao andiany am-polony maro ry zalahy. Vokany, hanomboka ny hetsika “Harato II”, hamongorana azy ireo. Tsy milamina Ankazobe ! Na tsy mikely soroka aza ny zandary sy ny tafika amin’ny famongorana ny asan-jiolahy. Tsy mahafay an-dry zalahy ny sazy henjana avoakan’ny fitsarana. […]
Arivonimamo : dahalo telo voasambotra
Vehivavy iray sy dahalo roa lahy voasambotra ny mpitandro filaminana tao Ambatomanga, distrikan’Arivonimamo, afakomaly. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mihazona basy tsy ara-dalàna izy mivady ireo. Nosavaina ny trano fonenany ka tratra tao ny kavin’omby am-polony sy ny taratasin’omby maromaro. Tsy nisy nifandraisany tamin’ireo kavin’omby ireo taratasy ireo. Nahatrarana […]
Notazonina 10 andro…: votsotra ilay zaza varira nalaina an-keriny
Navotsotr’ireo dahalo mpaka an-keriny rehefa notazonin’izy ireo nandritra ny 10 andro ilay ankizilahy varira monina ao Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy. Tonga soa aman-tsara eo anivon’ny ankohonany. Ny alin’ny 20 janoary 2024 no nalain’ireo malaso an-keriny izy. Navotsotr’ireo mpaka an-keriny kosa izy omaly rehefa voafehin’ny zandary ny toerana nanafenan’ireo dahalo azy. […]




