Maty voatifitry ny zandarimaria avy ao Maevatanana, afakomaly, ireo telo lahy saika hanafika taskiborosy avy ao Mahajanga hihazo ny renivohitra. Azo tany amin’izy ireo ny ody gasy maro, basy vita gasy miisa roa ary zava-maranitra samihafa. Tsiahivina fa lasibatr’ ireo olon-dratsy ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo ny taksiborosy mampitohy […]
Tranga
Nisandoka ho kaomisera: lehilahy iray naiditra am-ponja eny Antanimora
Nidoboka am-ponja eny Antanimora ny zoma teo ny lehilahy iray nisandoka ho kaomisera. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo no nahasambotra ity jiolahy ity. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fisolokiana sy fivadiham-pitokisana ary fisandohana andraikitra izy. Milaza amin’ny olona solokiany ity lehilahy ity fa hoe kaomisera miasa […]
Anosizato Atsinanana : jiolahy misaron-tava voasambotra
Noraisim-potsiny ! Tsy afa-bela manoloana ny polisy ny jiolahy iray nanao saron-tava niaraka tamin’ny baramina omaly tamin’ny 3ora sy 30mn, teny Anosizato Atsinanana. Fantatra tamin’ny fanazavan’ny polisy fa avy namaky trano ity jiolahy ity no nifanehatra tampoka tamin’ireo polisy CUI1 nanao fisafoana tamin’iny faritra Anosizato Atsinanana iny. Nanamarina izany rahateo […]
By-Pass : fiarabe tapaka hisatra nifaoka olona telo
Tafavoaka sy avotra avokoa ireo olona miisa telo voatsindrin’ny kamiaobe iray tapaka hisatra teny By-Pass omaly maraina. Naresaka maraina teny By-Pass tsy lavitry ny biraon’ny polisim-pirenena. Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo an-toerana tokony ho tamin’ny 07 ora. Kamiaobe iray mpitondra ranotany no tra-doza rehefa tapaka hisatra ka nifatratra tamin’ny sisin’arabe. Vokany, voasarika […]
Fanafihana Cash point: jiolahy iray lavon’ny balan’ny polisy teny 67ha
Nirefodrefotra indray ny poabasy nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy teny 67ha, ny asabotsy alina teo. Nanomboka hatrany Ampasika ny fifanenjehana ka tsy nifarana raha tsy teny 67ha, toerana nahavoatifitra ity jiolahy raindahiny ity. Polisy nanao fanamiana sivily no nifanehatra tamina andian-jiolahy nandeha moto teny Ampasika. Voalaza […]