Notetezin’ny varatra ny tranon’izy eni-mianaka teny Lavahitsiny Anosiala, distrikan’ Ambohidratrimo, afakomaly alina. Namoy aina telo ny fianakaviana. Vehivavy mpianaka niara-maty izay bevohoka fito volana ny iray. Mafy ny manjo ny fianakaviana iray, monina eny Lavahitsiny, Kaominina Anosiala, distrik’Ambohidratrimo. Maty nilatsaham-potaka ny renim-pianakaviana roa tao an-trano. Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-42 […]
Tranga
Nanendaka mpandeha : naiditra am-ponja ilay mpamily taxi-be
Nidoboka am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana, ilay mpamily taxi-be nivadika ho nanao asan-jiolahy tamina mpandeha iray teny Andranomena, ny alahady teo. Mbola nangingina ny andro, sendra irery tanaty fiara ny renim-pianakaviana iray. Teo no nararaotin’ity mpamily sy ny namany norobaina. Lasan’izy ireo ny vola 165 000Ar, niampy ny entana […]
Andohatapaneka : roa lahy tratra nangalatra bateria
Naiditra am-ponja vonjimaika ny jiolahy roa tompon’antoka tamina halatra baterian-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha ireto jiolahy ireto. Tratra nangalatra bateria amin’ireo andrin-jiro amin’iny faritra Andohatapenaka iny ry zalahy ireto. Nandritra ny fisafoana fanaon’izy ireo mahazatra, teny amin’iny faritra […]
Mangarivotra – Faravohitra: vehivavy tapa-doha hita faty tao anaty gony
Nihorohoro ny mponina teny amin’ny fokontany Faravohitra Mangarivotra, omaly. Nisy nanary fatim-behivavy tanaty gony teny an-toerana. Tsy misy lohany intsony ny razana. Nampihoron-koditra ! Fatim-behivavy iray no nisy nanary teny Faravohitra, omaly maraina. Mifatotra ny tongony sy ny tanany, nofonosina lamba manify niaraka tamin’ny selofanina. Nasitrika tao anaty gony, nofatorana tao […]
Toamasina: raim-pianakaviana maty natelin’ny ranomasina
Raim-pianakaviana 32 taona no maty natelin’ny ranomasina, ny alahady tolakandro teo. Mivahiny ao Toamasina izy miaraka amin’ny vady aman-janany. Vao herinandro izay no nahatongavan’izy ireo, avy any Manjakandriana. Teo akaikin’ny Club nautique izy no lasan’ny ranomasina, tamin’io fotoana io. Araka ny fitantaran’ny fianakaviany niaraka taminy, nitarika ireo namany roa lahy […]




