“Zava-dehibe amin’ny Foloalindahy ny maha tandroka aron’ny vozona, miaro ny fiandrianam-pirenena. Betsaka ny fanaratsiana mampisara-bazana ny Tafika sy ny zandary”, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard nandritra ny fambolezan-kazo tao amin’ny toby famaharan’ny Tafika an’habakabaka “Base aérienne 213” Arivonimamo, omaly. […]
Tranga
Taksiborosy nivadika: olona iray maty, dimy naratra
Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny RN7 anatin’ ny PK 205 + 300 teo Andranotakatra, fokontany Ambohimanjaka, omaly maraina tamin’ny 04 ora sy sasany. Niala tany Toliara ity taksiborosy ity. Nifandimby niteny ny mpamily vokatry ny fandehanana mafy ireo mpandeha sasantsasany. “Efa nampitandrina ny mpamily […]
Mponin’i Maromby, Amboasary Atsimo : “Tafahoatra ny fihetsiky ny mpitandro filaminana…”
Tonga eto an-dRenivohitra ny solontenan’ireo mponina avy any amin’ny Kaominina Maromby, Amboasary Atsimo any Anosy. Velon-taraina tanteraka izy ireo amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fihetsiky ny mpitandro filaminana. “Tena maharary. Manjaka ny asan-dahalo fa eo koa ny ataon’ny mpitandro filaminana”, hoy ny solontenan’ny mponina, i Lords Justin, tetsy Ambohijatovo, omaly. […]
Rongony mahery vaika: tsy hita mazava ny misy ilay Jeneraly polisy
Hotanterahina ao amin’ny « Avenue de l’indépendance » ao Toamasina anio, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ ny DSRP ny faritra Atsina-nana teo aloha sy ny mpisolo toerana. Marihina fa nitàna io andraikitra io teo aloha ilay jeneraly polisy voasaringotra tamin’ny raharaha rongony mahery vaika, tetsy By-pass, ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’io, voatonontonona […]
Fanafihana voasoroka : tratra ireo andian-jiolahy nikasa hamaky trano
Ravan’ny zandarimaria ao Ambatolampy ny fikambanan-jiolahy saika hanao fanafihana mitam-piadina tao an-toerana. Ny talata teo tokony ho tamin’ny 08ora alina, nahazo antso ny mpitandro filaminana fa misy olona mampiahiahy ao amin’ny fokontany Ambodiriana. Teo no ho eo ihany, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary. Vokany, tratra teo am-panomanana ny […]