Tapitra hatreo ny andron’i Domy na i Kelimavitrika, dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy halatr’omby ao amin’ny faritra Anjiajia. Omaly vao maraina, nisy ny fifandonana tamin’ity dahalo ity, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ambonara, fokontany Lagara, kaominina ambanivohitr’Anjiajia. Nandritra ny fisafoana miaraka nataon’ny zandary sy ny Tafika no nahatrarana ity […]
Tranga
Anjanahary II : mpamaky trano tratra teo am-pianihana tamboho
Tratra teo am-pianihana tamboho saika hangalatra tao amina tokantrano iray eny Anjanahary II, ny jiolahy iray, afakomaly. Ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro no nahasambotra azy, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tamin’iny faritra iny. Nihanika tamboho izy ka efa nilatsaka tao an-tokotanin’olona, tamin’io alina io. Hitan’ny […]
Toamasina : olona 18 maty, 203 nandalo fitsaboana maika
Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fiandrasana ny taom-baovao 2024 tao Toamasina. Misy hatrany anefa ny indrokely rehefa vanim-potoana fety toy izao. Raha ny antontan’isa nomen’ny teo anivon’ny Hopitalibe Toamasina (CHU) Analankinina, 203 ny olona tsy maintsy nandalo fizahana maika tao amin’ny sampana misahana ny vonjitaitra, nandritra […]
Variana nilalao: zaza folo taona matin’ny herinaratra
Nihantona tamina taribin-jiro, zazalahy 10 taona maty tsy tra-drano tao Feramanga avaratra, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly tolakandro. Andrin-jiro efa lavo amin-tany no nitera-doza. Nianjera efa ho efa-taona lasa, tsy mbola nisy fanarenana natao azy. Nitondra herinaratra mihazo ny orinasa lehibe iray tsy mihodina intsony ao an-toerana ilay andrin-jiro. Efa tsy nisy herinaratra […]
Tsy mifidy hangalarina: jiolahy tratra nangalatra jiro mirehidrehitra
Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra (CSP4) Isotry, teny Ampefiloha, afakomaly, ireo jiolahy roa. Tratra teo am-pangalarana jiro mirehidrehitra nandravahana ny lalana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao ry zalahy ireto. Manao ny asa fanaony toy ny mahazatra amin’ny alalan’ny fisafoana eto an-drenivohitra […]




