Tranga

Kamiao lasan’ny rano: maty voatsindry ny mpamily mpanampy

Nitera-doza ka nahafatesana olona iray indray ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsak’ orana nisesisesy tao amin’ny distrikan’i Mampikony. Niva­di­ka tampoka teo Antanetilava ny kamiao lehibe iray avy any Tsarahasina nikasa hihazo an’i Mampikony, omaly tolakandro. Nitondra olona vitsivitsy, efa mpandeha amin’io lalam-pirenena io ity fiara ity. “Vokatry ny fiakaran’ny rano, […]

Trafikana rongony: sivy mianadahy sarona, roa vao nivoaka ny fonja

Voasambotry ny mpitandro filaminana, ny zoma teo, ireo tanora isan’ireo mpivarotra sady mpamboly rongony eto an-drenivohitra. Vao avy namita sazy ny roa tamin’ireo sivy mianadahy. Tratra teny Andrefan’ Ambohijanahary, Manarintsoa izy rehetra ary miandahy miambavy mihitsy. Enina amin’ireo ve­hivavy avokoa, lehilahy ny telo. Manodidina ny 15 sy 16 taona ny […]

Efa noravaravana: tratra tao an-tranon’ireo jiolahy ny moto halatra

Mirongatra ny halatra moto ao Toamasina amin’izao. Telo lahy no indray saron’ny polisy tao an-toerana afakomaly. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra miharo vaky trano izy ireo. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nisehoana halatra mi­haro vaky trano tao amina tokantrano iray ao Toamasina. Jiolahy maromaro no tompon’antoka tamin’izany. Entana maro samihafa […]

Takaitra navelan’ny Rivodoza : mifanome tanana amin’ny vahoaka ny mpitandro filaminana

Manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto Madagasikara. Mandray ny andraikiny ny eo anivon’ny Tafika Malagasy sy ny zandary amin’ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana, toy izay efa fanao isaky ny misy rivodoza na ranobe miakatra. Ta­fiditra ao anatin’ny action ci­vilo-militaire ataon’ireo miaramila, mba hanakaikezana ha­trany ny vahoaka izany. Vokatry ny ora-mikija, […]