Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, avokoa ireo 9 lahy anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana taksiborosy tao amin’ny PK 12, tao Manjakameva, Fokontany Ambaliha, kaominina ambanivohitra Ambondromamy, ny 16 desambra teo. Mpanakan-dalàna sy mpandroba ireo taksiborosy mifamezivezy amin’io lalam-pirenena io ireto tra-tehaka ireto. Tsy ampy taona avokoa ny telo lahy amin’ireo dahalo mpanakan-dalana […]
Tranga
Ambatolampy : mpangalatra gisa naiditra am-ponja
Mpangalatra gisa roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika, tao amin’ny fonja an’Ambatolampy, taorian’ny fampanoavana omaly. Nanararaotra ny fiavian’ny andro fety, nalain’izy roa lahy ireo antsokosoko ny gisa miisa sivy tao amin’ny tanànan’i Sahamadio, kaominina Ambohipihaonana. Tratra tao amin’io tanàna io ihany anefa ny iray tamin’ireo voalaza ho nanao ny fangalarana. Nentina […]
Nivarina tao ambany tetezana : potika ilay fiara 4×4, olona 6 indray maty
Olona dimy indray maty tsy tra-drano, iray maty tany amin’ny hopitaly. Io no vokatry ny lozam-piarakodia niseho teo amin’ny tetezana Estapro, kaominina Antsakoamanondro, distrikan’Ambanja, faritra Diana, omaly vao maraina. Olona roa hafa kosa naratra mafy (namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly, omaly hariva ny iray) ka nalefa any amin’ny hopitalin’Ambanja. […]
Ambohimangakely : jiolahy iray lavon’ny balan’ny zandary
Maty rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifanenjehana teny Ambohimangakely, omaly, ny jiolahy iray nanafika olona hanatitra vola 79 tapitrisa Ar any amin’ny banky. Vola an’olona mpivarotra ao Ambohimangakely no notafihan’ny jiolahy nandeha moto Scooter, raha hihazo an’Ankorondrano. Fantatra nandritra ny fanafihana fa tovolahy iray mpiasa taloha tao amin’ilay fivarotana […]
Antsapanimahazo : naterim-badiny tany amin’ny zandary ny basy
Nivoaka tao amin’ny adina mpivady ny marina rehetra momba ny fisiana basy tsy ara-dalàna notazomim-badiny tao Antsapanimahazo, afakomaly. Nifamaly izy mivady ka niafara tamin’ny daroka sy ny fifampikasihan-tanana izany. Tsikaritr’ilay renim-pianakaviana ho hafahafa mitovy amin’ny basy anefa ny fonosan-javatra tao anaty lamba namelesany azy. Nampandre haingana ny zandary ilay ramatoa […]




