Maty tsy tra-drano vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy tao Manakambahiny Ambatondrazaka, afakomaly. Andro niditra ! Niharan-doza tampoka ny raim-pianakaviana iray izay polisy sy ny vady aman-janany, ny harivan’ny alatsinainy 18 desambra teo. Nitondra moto, nihazo an’Amparafaravola izy telo mianaka ireo, haka ny karaman-drangahy. […]
Tranga
Voaroba ny mpandeha : Taksiborosy roa notafihin’ny jiolahy
Lasan’ireo jiolahy avokoa ny entan’ireo mpandeha rehetra nandeha taksiborosy vokatry ny fanafihan-jiolahy tao Ambondromamy, ny sabotsy tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Taksiborosy roa ireto notafihan’ny jiolahy ireto, 10 km mialoha ny hidirana ny tanànan’Ambondromamy no nisehoan’izany. Nihorohoro tanteraka ireo mpandeha rehetra satria niraradraraka ny torabaton’ireo olon-dratsy. Tampoka ity fanafihana […]
Mahitsy-Ambohidratrimo : Ifandroritana ny vaovao nahafatesana jiolahy
Mifamahofaho ny vaovao nahafatesana lehilahy iray teny Mahitsy, tamin’ny alakamisy alina. Ny zandary milaza fa jiolahy. Ny fianakaviany manambara fa tsy olon-dratsy. Maty voatifitry ny zandary ny lehilahy iray voalaza fa dahalo tetsy Mahitsy, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 15 desambra teo. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary, mody […]
Androhibe : mpanao Cash point voasoloky 800 000 Ar
Manjaka ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny fampiasana telefaonina amin’izao fotoana. Mpiasa amin’ireny iray lasibatr’izany, tetsy Andrianalefy-Androhibe, ny alakamisy 14 desambra teo. Vehivavy iray nilaza nahita asa niditra tao aminy. Mandefa vola amin’ny alalan’ny finday io asa vaovao io ka nomen’ny olona tsy fantatra azy ny laharana finday maromaro. “Efa hitan’ny masonay tamin’ny […]
Anjozorobe : vehivavy roa nalain’ny dahalo an-keriny
Naka takalon’aina indray ireo dahalo mpaka an-keriny tao Ambohibary Vohilena, Anjozorobe, ny faran’ny herinandro teo. Mpamboly sy mpamongady ireto lasibatra. Mbola tsy tafaverina hatramin’ny omaly ireo olona enina lasan’ny dahalo an-keriny, tao amin’ ny tanànan’Ambohibary, kaominina Ambohibary Vohilena, distrika Anjorobe. “Mbola anatin’ny fanarahan-dia ireo dahalo tanteraka izahay amin’izao fotoana”, hoy […]




