Saron’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny faritra atsinanana, ny zoma tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina teo ny iray amin’ireo jiolahy ikoizana ao an-toerana. Voatondro ho isan’ireo nanao halatra miharo herisetra tao Ambolomadinika ny herinandro teo, ny tenany. Lasan’ireo totakely tamin’izay tokoa mantsy ny poketrana vehivavy lehibe iray. Ankoatra […]
Tranga
Andraharo : mpitondra moto maty nifandona tamin’ny taxi
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Andraharo, ny alin’ny 31 desambra teo. Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra scooter. Nifandona tamin’ny taxi, namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny mpitondra moto iray tetsy Andraharo, afakomaly alina. Niaraka nisotrosotro tamin’ny namany io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny polisy. « Avy […]
Nahitana 1 tapitrisa Ar : jiolahy iray voasambotra
Tra-tehaky ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny mpamaky trano iray ikoizana tao Ambositra, afakomaly. Nihaodihaody nanerana ny tanàna, nampandre ny manam-pahefana ny mponina. Natao avy hatrany ny vela-pandrika. Vokany, voasambotra ny lehilahy iray niaraka tamin’ny vola nitentina 1 661 000 Ar. Nahitana kavin’omby dimy koa teny aminy. Natao ny fanadihadiana, nilaza […]
Mpangala-bary: jiolahy maty voafira tamin’ny antsim-bilona
Maty tsy tra-drano ny mpangala-bary sarona tao Andriamifidy, fokontany Atetindravita, kaominina Ikalalao, anatin’ny distrikan’Ambohimahasoa, ny alarobia 28 desambara teo. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, naharay antso avy amin’ ny ben’ny Tanàna ao an-toerana ny zandary fa nitrangana halatra vary tao anatin’ny fokontany. Nidina ifotony nijery izany niaraka tamin’ny mpitsabo […]
Fiara vaky kodiarana: olona enina naratra
Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Manakazo, fokontany Tsirarazana, kaominina Ankazobe, ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Tra-doza tamin’izany ny taksiborosy iray mampitohy an’i Sambava sy ny Renivohitra. Vaky tampoka ny kodiarana aoriana an’ilay taksiborosy ka nidaboka tamin’ny arabe ny fiara. Vokany, naratra ny mpandeha miisa enina tao anatiny. Zazakely […]