Tranga

Toamasina: tratra ny andian-jatovo mpitsindrona rôrô

Lasa toerana fivezivezen’ny kazarana zava-mahadomelina mahery vaika isan-karazany ny ao Toamasina. Tsy vitan’izany fa ireo tanora miandahy miambavy no tena manjifa izany sady tsy mifidy taona. Nanao hetsika manokana ny teo anivon’ny polisin’ny Fip ao Toamasina tarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Taorian’ny angom-baovao rehetra nataon’ny polisy no nahafantarana fa misy mivarotra […]

Nikasa hanafika tobin’ny zandary: mpaka an-keriny roa lahy maty voatifitra

Jiolahy roa lahy malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny maty voatifitry ny zandary tao Sahalemaka, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Nandrasam-potsiny ! Na­moy ny ainy ireo jiolahy roa lahy nanaovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana lalina tao amin’ny ta­nànan’i Tsarahonenana, kaominina ambanivohitra Avara­tsena Sahalemaka, ny alin’ny alakamisy 07 desambra teo. Naharay angom-baovao ny mpitandro filaminana fa mi­haodihaody […]

Bazary Vorondolo – Toamasina : tratra ireo jiolahy namaky tranona pasitera

Jiolahy enina indray saron’ ny polisin’ny Fip notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, tao Toamasina, omaly. Voaro­hirohy ho tompon’antoka tamina famakiana tranona pasitera iray ao Andranomadio Toama­sina, parisela 11/43, ny zoma 1 desambra 2023 teo ry zalahy ireto. Voaroba tamin’izany ny entana sarobidy rehetra tao an-tranon’ity mpanom­pon’ Andriamanitra ity. Efa tafave­rina avokoa […]

Fahafatesan’ilay « transitaire » tao Toliara : voasambotra ilay atidoha nikotrika ny famonoana

Tratran’ny mpitandro filaminana, afakomaly tolakandro, tamin’ny 3 ora ilay atidoha nikotrika ny famonoana ilay lehilahy “transitaire”, tao amin’ny fokontany Besakoa, Toliara. Olona roa hafa voasambotra. Niampy telo indray, afakomaly, ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana momba ny famonoana ilay lehilahy misehatra amin’ny orinasa mpampita entana iray, “transitaire”, tao Besakoa. Namoahan’ny […]

MPIANAKA NALAINA AN-KERINY/ Natakalo 40 tapitrisa Ariary

Avotra teny amin’ny mpaka an-keriny ireo mpianaka, tao Maha­velona Anka­zo­be. Voalaza fa nandoa volabe ny fianakaviana. Misy milaza fa 20 000 000 Ar, misy miteny fa 40 000 000 Ar. Navotsotry ny mpaka an-keriny omaly hariva, ny mpianaka, nisy naka an-keriny tao Ambohitram­bany, kaominina Mahavelona, distrik’Ankazobe, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Voalaza […]