Nodoran’ny dahalo ny trano fonenana, nentin’izy ireo ny omby miisa dimy tao amin’ny tanànan’Ambohimamory, kaominina ambanivohitra Ambatolampy, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alin’ny alatsinainy 4 desambra teo. Nitam-piadiana ireo dahalo. Norobain’izy ireo avy hatrany ny omby tao anatin’ny vala ary nodorany ny tanàna. Tsy nilavo lefona anefa ny fokonolona ka nanara-dia. Nanampy […]
Tranga
Fanapahan-doha tao Vondrozo : ombiasy sy dahalo iray lavon’ny bala
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny ombiasy iray sy ny dahalo namany nandritra ny fisamborana azy ireo tao Vondrozo, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny alatsinainy 4 desambra teo. Nikasa hanatanteraka ny sorona faharoa ahafahan’izy ireo mahazo ny rano mavesatra na « mercure » ireo dahalo ireo, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandary tamin’ireo namany izay efa voasambotra. Nidina ifotony nanamarina […]
Misy mpivaro-kena maniraka… : tratra ireo tambajotra mpangalatra kisoa
Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana, omaly, ny andian-jiolahy tompon’antoka tamina halatra kisoa. Ny 2 desambra 2023 lasa teo no nitrangan’izany halatra izany tao Andasy, fokontany Ambohitremo Ambohimalaza. Tao amina toeram-piompiana lehibe no niditra an-tsokosoko ireto mpangalatra kisoa ireto. Nopotehin’ireo olon-dratsy mialoha ny jiro manazava io toeram-piompiana io […]
Fanandevozana sy vono olona : afaka madiodio ry pasitera efa-mianaka
19 volana aty aorian’ny nitazomana azy mianakavy tany am-ponja, afaka madiodio ry pasitera efa-mianaka. Nampangaina ho nanandevo sy namono tovolahy iray taizany izy ireo. Niakatra teo anoloan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava andiany faharoa, ny antontan-taratasin’ady laharana faha-119-Toa/22-1333-RP/22, afakomaly. Raharaha izay nahavoarohirohy pasitera iray. Voampanga ho nanao fanandevozana […]
Ambatomainty : taolan-dava efatra lasan’ny mpangalatra
Nitrangana vaky fasana tao Ankiranomena fokontany Andoharano, distrikan’Ambatomainty, afakomaly. Nahazo fitarainana avy amin’ny tompom-pasana ny kaomandin’ny boringadin’Ambatomainty. Nidina nanao fanadihadiana avy hatrany ny zandary. Voamarina ny tranga nandritra ny fizahana ny toerana. Vato mifanongoa voajanahary ity navadika ho natao fasana fandevenana ity. Nisy nanokatra anefa ny fasana. Lasan’ireo mpangalatra tamin’izany […]




