Tranga

Kaominin’i Bemanonga : dahalo efa-dahy voasambotra

Nahare fisiana andian-dahalo mikononkonona hanafika, tra-tehaky ny polisy ny efa-dahy malaza ratsy amin’ny fanafihana sy ny halatr’omby tao amin’ny fokon­tanin’Androvabe Soatanana, Andramoteraka, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, ny alarobia teo. Andro vitsy taorian’ny fampihorohoroana nataona dahalo tao amin’io tanàna io, nanao fitsirihana ny mpitandro filaminana. Fan­tatra tamin’izany fa misy ny fikasana andian-jiolahy […]

Vaky trano : olon-dehibe efatra voasambotry ny zandary

Voasambotry ny zandary ireo olon-dehibe efatra mianadahy tratra namaky trano tao Behenjy afak’omaly. Nisy nanafika ny tokantrano iray ao Anjanamasoandro ambony, fokontany Antanetibe, kaominina Behenjy tamin’io andro io. Lasan’ny jiolahy tamin’ izany, ny vilany, ny biby fiompy ary kojakoja maro samihafa tao an-trano. Na­havoaray antso avy tamin’ny olon-tsotra ny zandarimariam-pirenena […]

Mahamasina : vehivavy tratra nanao sinto-mahery

Tsy ampoizina intsony ireo heverina ho olon-dratsy! Sa­rona nanao sinto-mahery ny vehivavy iray vao 18 taona, tetsy amin’ny tsenan’i Maha­masina omaly. Nandritra ny fisisifan’ny mpandeha an-tongotra, nanararoatra ity tovovavy ity. Tsi­karitry ny polisy manao fanamiana sivily iray teny an-toerana anefa ny fihetsik’io tontakely io. Narahiny akaiky arak’izany ity farany. Poa […]

Sendra nandalo: tovolahy matin’ny herinaratra

Namoy ny ainy ny tovolahy iray vokatry ny herinaratra tamina tariby matanjaka nofaohan’ny kamiao nandalo tao Anketro/Ambalakatsaka, distrikan’Ambatofinandrahana, oma­ly mitataovovonana. Tsy nanampo na inona na inona, sendra nandalo tamin’ny arabe ity tovolahy ity. Voafaokan’ny kamiaobe iray tampoka anefa ny tariby mitondra herinaratra. Nandray io tariby io ity tovolahy ity ka […]