Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny vehivavy iray. Notetitetehin’ny anadahiny antsy izy, ny 19 jolay lasa teo. Voalazan’ny mpanao famotorana fa ady lova no antony. Tranga mampalahelo no niseho tao amin’ny fokontany Anjijibe, kaominina Ampasina Maningory, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, faritra Analanjirofo, ny 19 jolay lasa teo. Notetehin’ny anadahiny antsy ny […]
Tranga
Niditra an-keriny tao an-trano: voasambotry ny polisy ilay mpanolana
Lehilahy nanolan-jazavavy 15 taona nosamborin’ny polisy, afakomaly. Niditra an-keriny tao amin’ny efitrano nisy ilay zazavavy izy, tamin’ny 2 ora maraina. Tsy nanampo na inona na inona, nokasain’io mpanolana io hanaovana ny filan-dratsiny avy hatrany ilay ankizivavy. Nesoriny an-keriny ny akanjo teny an-koditry ny zanaky ny tompontrano. Niantso vonjy, nitabataba ka […]
Ambohimanarina: olona fito tratra teo am-pitsindronana héroïne
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina, omaly, ireo olona fito (nahitana vehivavy iray) tratra teo am-pitsindronana héroïne na « rôrô ». Teo Andranomena izy ireo no nifanehitra tamin’ny polisy. Mbola variana nidoroka sy nitsindrona ry zareo tamin’io fotoana io. Nisy nahatsikaritra ireto andian-jatovo ireto satria efa matetika no […]
Niatontan’ny “balle friperie” : Zaza efa-taona maty roa lahy karohina
Maty tsy tra-drano! nianjeran’ny entana tao amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy ny zazalahy iray, omaly. Voalaza fa tandrevaky ny mpampidina entana izany.Roa lahy ifampitadiavana. Nezahin’ireo nanatri-maso nentina namonjy toeram-pitsaboana, tsy tana ny ain’ny zazalahy efa-taona, tao Ankazondrano Fianarantsoa, omaly maraina. “Nampidina entana toy ny mahazatra ireo vatan-dehilahy mpanao izany. Nianjera ny “balle […]
Nolazainy volamena : olona roa nahatrarana vovo-barahana 1 kg
Voasambotry ny zandary ny lehilahy sy vehivavy iray nivarotra volamena sandoka tao Ambohibao, ny faran’ny herinandro teo. Mody manantona olona sendra azy, milaza ho manana vovo-bolamena ny lehilahy iray. Efa hisy handray io entana io saingy vazaha any Nosy-Be ka tsy mahay miteny frantsay ilay mitonona ho mpivarotra. Reseny lahatra, […]




