Hatolotra ny fampanoavana ireo jiolahy roa voasambotry ny polisy teny Ampandrana, afakomaly. Ny polisin’ny CSP3 Antaninandro no nahasambotra ireto jiolahy ireto. Nifanehatra tamin’olona niantso vonjy tamin’ny lalana iray eny Ampandrana ny polisy ka nandray ny andraikiny avy hatrany nifanenjika tamin’ireo olon-dratsy tany anaty elakela-trano. Tsy afa-bela teo anatrehan’ireo polisy ireto […]
Tranga
Fianarantsoa: tratra ireo efa-dahy nangalatra zaza varira sy namono ny reniny
Ireto efa-dahy tratran’ny zandary ireto no niteraka ny raharaha fifandonana tao Ikongo momba ilay halatra zaza varira sy namono nahafaty ny reniny… Tratra ihany! Voasambotry ny zandary tao Fianarantsoa, omaly antoandro, ireo efa-dahy tompon’antoka tamin’ilay halatra zaza varira sy namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ny renin’ilay zaza, ny 29 […]
Nilalao lakana: lehilahy mamo natelin’ny rano
Lasan’ny rano i Pala, rehefa nilalao zahatra na lakanakely teo amin’ny reniranon’Itomampy, afakomaly hariva. Mamo izy io ka nivadika ny zahatra nentiny. Maty lasan’ny rano ny lehilahy iray, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. Raha ny tatitra voaray, nilalao zahatra teo amin’ny reniranon’ Itomampy, andrefan’Itanakidy izy io. Nivadika ny zahatra avy […]
Ambohidratrimo : ady tany nivadika halatra akoho, lehilahy iray voasambotra
Manao antso amin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany eto amin’ny firenena, indrindra fa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), ny Jly Serge Gellé ny fianakavian’ilay lehilahy voarohirohy tamina raharaha halatra akoho nifangaro ady tany, tao amin’ny fokontany Ambohinaorina, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo. Araka ny fanazavan-dRakotoniaina Hanitra Evah, mpandraharaha eny Madera Namontana, nisolo tena ny […]
Tsy mifidy taona intsony…: tratran’ny polisin’ny BFP ireo tontakely mpisoloky
Ankizilahy roa 15 sy 16 taona tratra nangarom-paosy sy nisoloky tao Toamasina, omaly antoandro. Ny polisin’ny BFP (Brigade feminine de proximité) Toamasina no nahasambotra azy ireo taorian’ny fanenjehana. Ankizilahy 12 taona no niharan’ny asa ratsin’izy ireo. Ny iray mandrahona, ny iray kosa maka ny zavatra ao anaty paosy sy ny […]