Lehilahy 66 taona voasambotry ny zandary tao Anosibe, fokontany sy kaominina Ambohitromby, distrika Fenoarivo, ny zoma 27 oktobra teo. Niantsena tamin’ny mpivarotra iray tao amin’io tanàna io ilay mpisoloky. Nampandre ny mpitandro filaminana noho ny fiparitahan’ny vola sandoka ny mponina lasibatra. Niroso tamin’ny fanadihadiana ,araka izany, ny zandarimaria. Voatonona tamin’io […]
Tranga
Nafenina tanaty gony: fatim-behivavy roa voatetitetika
Fatim-behivavy roa, natao tanaty gony samy hafa, no nisy nahita afakomaly. Ahina ho efa maty tamin’ny roa volana lasa izy ireo. Voatetitetika ny razana, mbola tao avokoa ny taolany. Fatim-behivavy roa tokony ho 48 sy 50 taona, natao tanaty gony roa samy hafa, no nisy nahita tao amin’ny fokontanin’Ambararata, kaominina […]
Halatra omby: dahalo raindahiny maty voatifitra
Tratra taorian’ny hazalambo nataon’ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Amboanjo, kaominina Manaratsandry, distrikan’i Mitsinjo, ny 24 oktobra teo. Nanafika tao amin’ny tanànan’Analamamy ireo olon-dratsy tamin’ny 22 oktobra. Roa lahy no tompon’antoka. Voaroba ny omby miisa efatra. Raikitra ny fanarahan-dia. Naharay loharanom-baovao ny zandary fa mihaodihaody ao amin’ny […]
Harem-pirenena : olona roa mpanondrana sokatra voasambotra
Mirongatra indray ny trafikan-tsokatra any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Efa tambajotra ireto voasambotra ireto. Voasambotry ny mpitandro filaminana ny mpanondrana sokatra roa mianadahy tao Betaratse, kaominina Fotadrevo, 60 km miala an’i Ejeda, distrikan’Ampanihy, ny alarobia 25 oktobra teo. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria fa misy olona mitatitra sokatra avy any Atsimo. […]
Nanohitra ilay mpamily : jiolahy iray maty voatsatok’antsy tao Toamasina
Naratra voatsatok’antsy ny mpamily Bajaj notafihin’ny jiolahy tao Toamasina, ny alakamisy 19 oktobra 2023 lasa teo. Nanohitra izy ka voatsatok’antsy koa ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Vokany, namoy ny ainy ilay jiolahy. Avy nanatitra mpiasa tany amina orinasa iray ao Antanandava izy tamin’io fotoana io. Voalazan’ny loharanom-baovao fa manodidina ny 20 000Ar […]




