Mikija ny orana any atsimon’ny Nosy. Sady miakatra ny rano no tapaka ny lalana ka anjatony ny fiara mihitsoka. Tra-doza ny fiarabe mpitatitra olona avy aty Antananarivo hihazo an’i Taolagnaro, omaly, tao Ianabinda. Tapaka nandritra ny ora maro ny lalana ao Betroka hatramin’ny omaly alina, vokatry ny oram-be nikija afakomaly […]
Tranga
Andranovorivato : miaramila mamo nanary fitaovam-piadiana
Tsy hita ny fitaovan’ny miaramila tao amin’ny DAS avy ao Akondro, kaominina ambanivohitra Andranovorivato, distrikan’i Vohibato, ny 19 desambra teo. Nahazo 36 ora tsy hiasana, nikasa hody, namonjy ny vady aman-janany ny miaramila iray. Niandraikitra ireo fitaovana ireo, araka izany, izy. Mamo anefa io miaramila io rehefa niaraka tamin’ny havany […]
Fifandonana mahery vaika : dahalo roa lahy rotiky ny bala, tafaverina ny omby halatra
Tsy an-kitsitsy! Lavon’ ny zandary nanao fanarahan-dia ny roa tamin’ireo dahalo nangalatr’omby tao Ambohidratrimo, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo. Nangalatra omby miisa 15, nirongo fitaovam-piadiana ka nampihorohoro ny iray tanàna ireo dahalo. Nampandre avy hatrany ny zandary ao an-toerana ny solontenan’ny mponina. Raikitra ny fanarahan-dia niarahan’ny fokonolona sy […]
Namono tena: lehilahy maty nitsoraka tao ambany kamiao
Maty teo no ho eo ny lehilahy iray voafaokan’ny kamiao lehibe nandalo teo amin’ny RN7, Pk 401 +400 teo Ankapila, fokontany Sendrinalina, kaominina Ialananindro, distrikan’i Lalangina, ny 19 desambra teo. Nahita ity fiarabe nandalo, noheverin’ny mpamily handeha toy ny olona rehetra ilay lehilahy. Kinanjo, nitsambikina tampoka tao ambany kodiarana. Vokany, […]
Haintrano : Rangahy 86 taona maty sempotra tanaty “baignoire”
Maty irery, sempotra niafina tao anaty “baignoire” ny rangahibe iray. May ny trano nisy azy mivady tetsy Ambatomaro, ny talata alina teo. Tranga mampalahelo. Namoy ny ainy tao anaty “baignoire”, ilay rangahibe 86 taona, monina etsy Ambatomaro. May ny trano lehibe iray misy rihana roa nipetrahany ka nandeha niafina nanavotr’aina […]