Tranga

Ambilanibe Anosipatrana : feno jiro halatra tao an-tranon’ireo jiolahy

Noraisim-potsiny ! Saron’ ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohiman­gakely, afakomaly, ireo jiolahy roa raindahiny amina halatra jirona fiara. Lasibatr’ireo mpangalatra ny jirobe anoloana sy aorian’ny fiara. Maro ireo manana fiara no mitaraina amin’ny afitsok’ireo mpangalatra. Nitrangana halatra jiro teny amin’ny fokontany Be­hitsy, kaominina Ambohiman­gakely, Antananarivo Avara­drano, ny 17 oktobra 2023 […]

Marovoay : dahalo roa lahy rotiky ny bala

Lavon’ny zandary ny dahalo roa lahy anisan’ireo nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny fokontany Bemahogo, kaominina ambanivohitra Ankaraobato, afakomaly. Samy nitondra basimborona ireo dahalo 18 lahy ka nanafika tao amina tokantrano iray. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary. Nanaovana sakana avokoa ireo kizo nahiana handosiran’ireo tsy valahara. Tsikaritry ny mpanara-dia […]

Tovovavy novonoina : notrobahana zava-maranitra ny sofiny

Maty nisy namono ny tovovavy vao 23 taona, teny Antohibe Ambohidratrimo, omaly. Niboridana ny tapany ambany, novelesina ny lohany, natsipy teny amoron’arabe ny razana. Alahelo sy hakiviana ny an’ny fianaka­vian’Itom­po­kovavy F. Tiana, tovo­vavy 23 taona, hita faty teny Antohibe Ambohidratrimo, omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora. Niala tao an-trano, […]

Vaky trano : raim-pianakaviana maty novonoin’ny jiolahy

Nofiraina famaky sady rotiky ny tifitra nataon’ny jiolahy 12 lahy ny raim-pianakaviana iray ka namoy ny ainy tao Betana­tanana Maintirano, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 22 oktobra teo. Nanafika tokantrano iray tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy. Raim-pianakaviana sy ny vadiny, samy nohazonin’ireo tsy mataho-tody. Na­lain’ireo mpandroba ny zavamaneno miisa […]

Adin’ny mpivady: lehilahy notondrahana rano mangotraka

Zava-doza! May ny filahian-drangahy sy ny tratrany ary ny tarehiny. Notondraham-badiny rano mangotraka izy tamin’ny alahady, teny Andrianalefy, fokontany Androhibe, boriborintany fahadimy. Nivadika ho herisetra ny adin’ny mpivady, monina eny Andrianalefy, fokontany Androhibe, ao anatin’ny boriborintany fahadimy, tamin’ny alahady tolakandro teo. Notondrahan’ilay renim-pianakaviana rano mangotraka ny vadiny, nandritra ny fifamaliana. […]