Dahalo efa-dahy maty voatifitry ny zandary tao amin’ ny fokontany Bekoky, kaominina Bekodoka, distrikan’i Besalampy, afakomaly. Nifanena tamin’ny dahalo efatra mirahalahy nitondra omby halatra ny zandary roa lahy, tamin’ny 4 ora maraina. Nofotompotorina ireto olon-dratsy ka niaiky fa omby halatra ireto tratra teny aminy ireto. Nentina hihazo ny biraon’ny zandary, araka izany, izy efa-dahy. […]
Tranga
Namono zaza 6 taona : raikely sy ny namany naiditra am-ponja
Nidoboka am-ponja ilay raikely sy ny namany iray hafa nahafaty ny zana-badiny vao 6 taona tao Faravohitra, distrikan’i Faratsiho, ny faran’ny herinandro teo. Nisaraka tamin’ny renin’ilay zaza enin-taona io lehilahy io. Tsy nahazaka izany anefa izy ka nalainy tany an-tsekoly ny zana-badiny, ny 2 oktobra lasa teo. Nentiny tany anaty […]
Hetsi-bahoaka: nifamono ny samy sivily
Nifandatsa-dra ny samy sivily tetsy Andavamamba, omaly. Andaniny ny mpanohana ny kandidà 11, ankilany ny mpomba ny kandida n°3. Nisy ny vaky loha sy potika fananana. Nifandona indray, ny mpanao diabe, tarihin’ny kandidà 11 sy ny mpanao fampielazan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, teny Andavamamba, omaly atoandro. Fifampihantsiana sy fifandranitana no tena nahatonga […]
Ampanotokana-Ambohidratrimo : roa lahy niara-maty navadiky ny lakana
Navidiky ny lakana nentiny ka niara-namoy ny ainy ny roa lahy naka vilona tao Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, ny sabotsy 14 oktobra lasa teo. Nanao ny asa fanaony toy ny mahazatra ireo roa lahy. Naka vilona izy ireo ka natao tao anaty gony izany. Niakatra teo ambony lakana nitondra ireo sakafom-biby ireo, […]
Nolerana zava-maranitra : lehilahy “transitaire” hita faty tao an-tranony
Lehilahy iray mipetra-drery hita faty tao an-tranony tao Besakoa, Toliara, omaly maraina. Novonoin’ny olon-tsy fantatra tamin’ny zava-maranitra izy. Namoy ny ainy tao an-trano fonenany ny lehilahy iray misehatra amin’ny orinasa mpampita entana iray na “transitaire”, tao amin’ny fokotany Besakoa, Toliara, omaly maraina. Naharay fampahafantarana ny zandarimaria avy eo anivon’ny sampana […]




