Tazonina eny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo Antaninandro (CSP3) ilay jiolahy tratra teo ambony tafona tranombarotra iray, eny Behoririka, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Ireo polisy nanao fisafoana tamin’iny faritra iny no nahita azy teo ambony tafon-trano, ary tsy afa-nandositra intsony izy ka noraisim-potsiny teo. Tratra teny aminy ny gony iray […]
Tranga
Ankaramena : mpangalatra taolam-paty sy zaza varira tratra
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro, tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ankaramena, afakomaly, ny andian-jiolahy voarohirohy amina raharaha vaky fasana narahina halatra sy fivarotana taolam-paty. Raha ny angom-baovao voaray avy amin’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisiana andian’olona mpanao trafikana taolam-paty ao amin’ity tanàna ity. Nametraka ny paikady […]
Tratra i Ledada : nanaparitaka Vola sandoka 1 tapitrisa Ar
Sarona teny amin’i Ledada ny vola sandoka mitentina 1 740 000 Ar, tao Ambalamahatsara, kaominina Ambovombe-Centre, distrikan’i Manandriana, ny alahady teo. Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy olona manaparitaka vola sandoka ao amin’ny kariera iray ao Ambalamahatsara. Nanao fitsirihana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nosamborina ny tompon’antoka. Tra-tehaka tamin’izany i Ledada. Nosavaina […]
Behoririka : mpiasan’izy mivady taloha ny iray tamin’ny mpanafika
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha fandrobana sy fanafihana mpivady teratany karana, tetsy Behoririka, afakomaly atoandro. Vehivavy roa sy lehilahy telo nirongo basy vita gasy ireo jiolahy voatondro ho nahavanon-doza. Voasaringotra amin’izany ny vehivavy iray efa niasa tao amin’ireo voatafika. “Mpanasa lamban’izy mivady teo aloha ny iray tamin’ireo vehivavy […]
Mpisoloky: efa nahazo 40 tapitrisa Ar tamin’ny Mvola vao voasambotra
Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay lehilahy mpisoloky olona amin’ny Mvola. Voasambotry ny polisy teny Ankaraobato, ny zoma teo, ny tenany rehefa nifampitadiavana. Maro ireo efa voasoloky sy nahazoany vola mitotaly 40 tapitrisa Ar, antony nahatonga ity lehilahy ity nanaovana famotorana. Fomba fanaony, manatona eny amin’ireny Cash-point ireny izy. […]