Lehilahy voatondro ho mpamaky trano matin’ny daroka tao anaty fonjan’ny kaominina ambanivohitr’Andasibe, distrikan’i Vavatenina, faritra Analanjirofo, ny alahady 15 oktobra teo. Nosamborin’ny eo anivon’ny kaominina ao an-toerana izy, ny tolakandro io alahady io. Notazonina tao amin’ny efitranokely “fonjan’ny kaominina”, araka izany, io voalaza ho mpangalatra io. Nohazonin’ny mpiasan’ny kaominina tao izy. Tetsy ankilany, […]
Tranga
Nandeha nitaky trosa : vehivavy mpandraharaha maty notifirin’ny jiolahy
Renim-pianakaviana mpandraharaha iray 49 taona, tompona tranombarotra lehibe ao 67 Ha, lavon’ny balan’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Botanika, Toamasina, afakomaly alina tamin’ny 7 ora sy sasany. Maty tsy tra-drano ny mpandraharaha iray notifirin’ny jiolahy, ny alin’ny alarobia teo, tao amin’ny fokontany Botanika, faritra fisarahan’ny kominina Toamasina ambonivohitra sy Toamasina ambanivohitra. Hamoaka […]
Toamasina : maty voafaokan’ny fiara ilay vehivavy
Nipitika rehefa voadonan’ny fiara nirimorimo, vehivavy iray namoy ny ainy, tao Ambalamanasy, ny alatsinainy 16 oktobra. Maty teo no ho eo, voadonan’ny fiara nandeha mafy ny vehivavy iray niampita arabe, tao amin’ny lalam-pirenena fahadimy, teo Ambalamanasy mihazo ny seranam-piaramanidina, afakomaly tamin’ny 12 ora sy 30 minitra. Niaraka tamin’ny namany maromaro […]
Ambato Boeny : dahalo raindahiny maty voatifitra
Maty nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Ampasitapaka, kaominina Anjiajia, distrikan’Ambato Boeny, ny alatsinainy 16 oktobra teo. Naka omby tao amin’io tanàna io ireo olon-dratsy maromaro ary nivimbina fitaovam-piadiana. Raikitra anefa ny fanarahan-dia nataon’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana rehefa lasa ny omby. Nosakanana […]
Taksiborosy sy kamiao nifandona : maty tsy tra-drano ny mpamily iray
Nifandona ny fiara mpitatitra olona sy ny kamiao lehibe iray, omaly, teny amin’ny lalam-pirenena fahafito. Vokany, olona roa namoy ny ainy ka mpamily ny iray. Nifatratra tamin’ny kamiaobe nifanoha-dalana taminy ny taksiborosy iray tao Ikianja, kaominina Ilaka Centre, eny amin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly tolakandro. “Niainga tao Ambositra nikasa hihazo an’i […]




