Voatana vonjimaika any am-ponja ny renikely iray nidaroka ka saika nahafaty zaza roa taona latsaka, tao Ambalamanasy C2, Toamasina, afakomaly. Efa fanaon’io ramatoa io ny mamono tsy am-piheverana an’io zazakely io, raha ny nambaran’ny nanatri-maso. Matetika nianjadian’ny fampijaliana izy rehefa tsy eo ny rainy. Nofelahan’io renikely io indray ilay zaza […]
Tranga
Oniversite Ankatso: nitokona ny mpianatra, raikitra ny tora-bato
Nanatanteraka fitokonana ny mpianatra teny amin’ny oniversiten’Ankatso, omaly. Notorahan’izy ireo vato ny teny amin’ny manodidina. Tezitra mafy ireo mpianatra mandranto fahalalana eny amin’ny oniverste Ankatso, omaly. Nisy ny tora-bato sy fandoroana kodiarana. Tsy navelan’izy ireo hiakatra any amin’ny faritra misy fampianarana ireo olona rehetra teny tamin’izany. Raha ho fintinina ny […]
Fisotasotana : mpivarotra drakaka voapaka antsibe teo an-tsena
Voasambotry ny fokonolona ny iray tamin’ireo jiolahy efa-dahy nikapa antsibe ilay mpivarotra drakaka, tao Ambararata, fokontany Ampoza, Kaominina ambanivohitra Andranovao, distrika Maintirano, afakomaly. Nanao ny asany teo am-pivarotany io raim-pianakaviana mpivarotra io no tonga tampoka ny jiolahy. Nandanja drakaka izy kinanjo nokapain’ireo tsy mataho-tody tampoka tamin’ny antsy. Rovitra tanteraka ny sofiny havia sy ny […]
Saika hanafika : jiolahy rotiky ny bala teny Ilafy
Nirefodrefotra ny basy. Maty voatifitra ny jiolahy raindahiny iray teny Ilafy, ny alatsinainy teo. Rava ny fanafihana saika hataon’ireo olon-dratsy. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana teny Ilafy, ny jiolahy miisa telo, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Nikononkonona handroba tamina tokantrano iray tao Antsampandrano ry zalahy. Nisy namoaka anefa ny tsiambaratelon’izy ireo. Nisy loharanom-baovao nanome […]
Kandida siteny: nosamborina ny roalahy mpiambina azy
Nosamborin’ny mpitandro filaminana tampoka ny mpiambina roa lahy an’ny kandidà ho filoham-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, tetsy Antaninarenina, omaly tolakandro. Nisakafo tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray eny an-toerana izy ary nitafa tamin’ny mpanao gazety mahakasika ny tontolon’ny fanatanjahantena. “Tsy nisy nanampo na inona na inona izahay”, hoy ny nambaran’ny nanatri-maso. Tampoka anefa, […]




