Voasambotry ny polisy, omaly tamin ‘ny 2 ora maraina ny lehilahy iray avy namaky trano tetsy Antohomadinika, fokontany III G Hangar. Nifanena tamin’ny lehilahy iray nitondra entana maro samihafa ny Polisy avy ao Antaniavo Antohomadinika rehefa nanao fisafoana an’anelakelantrano. Nampiahiahy ny mpitandro ny filaminana izy ity ka nosavaina ireo entana […]
Tranga
Fitrandrahana an-tsokosoko: sarona ny voamboana 180 tsy ara-dalàna
Tra-tehaky ny zandarimaria, avy ao Fetraomby, ny talata tamin’ny 03 ora tolakandro teo, ireo zahatra miisa valo nitondra hazo sarobidy marobe. Nalefa teny amin’ny reniranon’Ambinanintsaraha, koaminina ambanivohitra Fetraomby, distrika Brickaville ireo zahatra ireo ka nisy nahatsirakitra. Efa voaomana tsara ity teti-dratsy ity. Tsara fatotra sy voaafina tsara avokoa ireo hazo […]
Cash point voatafika : vehivavy iray naratra, lasa ny vola sy finday miisa 12
Voasambotry ny polisy ilay lehilahy nandroba vehivavy mpanao «Cash point» tao Tsiroanomandidy. Mbola tratra teny aminy ny vola 3 tapitrisa Ar sy finday 12 isa norobainy. Tsy lasa alavitra akory! Tra-tehaky ny polisim-pirenena, ny zoma teo tokony ho tamin’ny 05 ora hariva ilay lehilahy nanafika Cash point tao Tsiroanomandidy. Nitranga […]
Hividy kafe : ankizilahy fito taona maty voafaokan’ny fiara
Maty tsy tra-drano ilay ankizilahikely fito taona voafaokan’ny fiara iray teny Andavabato, fokontany sy kaominina Soamanandrariny, distrikan’Antanifotsy. Naratra mafy kosa ny reniny sy ny zandriny vao herintaona monja. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina ny alakamisy teo, nandalo teny an-toerana izy telo mianaka saika hividy kafe hosotroina. Tsy nisy nanampo […]
Anosibe : mpangarom-paosy dimy tratry ny polisy
Voasambotry ny polisy manao fanamiana sivily ireo mpanendaka teny Anosibe, omaly. Miandahy miambavy izy ireo no manao ity asa ratsy ity. Anisan’ny toerana mahamay amin’ny sinto-mahery sy harom-paosy iny faritra iny ka arahi-maso akaiky, hoy ny polisy. Midina eny an-toerana manara-maso ny faritra rehetra ny mpitandro filaminana manao fanamiana sivily. […]