Tranga

Vola sandoka : mpisoloky nahatrarana 8 tapitrisa Ar

Mpanao vola sandoka iray sarona teo am-panakalozana vola sandoka mitetina 8 600 000 Ar tao Miandrivazo, afakomaly. Manaparitaka ny vola tsy tena izy ao an-toerana ity lehilahy tra-tehaka ity. Nahazo loharanom-baovao ny teo anivon’ny polisim-pirenena fa misy manakalo vola 20 000 Ar sandoka manerana ny kaominina ao an-toerana. Nanao paikady manokana nanatrarana io […]

Halatra gisa : lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray nangalatra gisa no matin’ny fitsaram-bahoaka. Tao amin’ny kaominina Feramanga Avaratra, distrikan’Ambatondrazaka no nisehoan’izany ny zoma 6 oktobra teo. Efa lafony teny an-tsena ny gisa nangalarin’ny lehilahy iray, tao amin’ ny fokontany Ambohimana­rivo, kaominina Feramanga, ny talata 3 oktobra teo. Malaza ratsy amin’ny hala-boty ao amin’io fokontany io ity […]

Antanimora : mitaraina ireo mpiandry fonja 35 nafindra toerana

Velon-taraina saingy tsy afa-mandà ny mpiandry fonja 35 isa eo anivon’ny fonjan’ Antanimora, omaly. Nilatsaka ny baiko fa hafindra toerana any amin’ny faritra hafa avokoa izy ireo noho ny fandaminan-draharaha eo anivon’ny fonja. Nampanantsoin’ny talem-paritry ny fonja ao an-toerana ireo mpiandry fonja 35 isa ireo omaly, hanao sonia ny taratasy […]

Lehilahy voatifitra : voaroba ny vola 9 tapitrisa Ar

Notafihin’ny dahalo fito lahy ny tokantrano iray tao Alakamisy Itenina, afakomaly alina. Lasa ny vola, naratra ny tompon-trano. Raikitra ny vely kibay sy ny fandratrana tamin’ny famaky nataon’ny jiolahy fito lahy tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Marokona III, kaominina An­dranomiditra, distrikan’i Vohi­bato, ny alin’ny 8 hifoha ny 9 oktobra […]

Voaroba ny vola 4 hetsy Ar : raim-pianakaviana maty voatifitra teo ambony tafo

Namoy ny ainy voatifitry ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray tao Ambasatrana, Be­tagnatagna, faritra Melaky, ny alin’ny 4 oktobra lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana, niditra an-keriny tao amin’ny trano fonenan’io lehilahy io ireo olon-dratsy. Nahatsi­karitra ny fisian’ireto farany, niakatra niafina tao ambony tafo ny tompon-trano. No­robain’ny jiolahy ny vola nitetina 400 000 […]