Tranga

Efa nosakanan-janany: renim-pianakaviana hita faty tao anaty tatatra

Ramatoa 37 taona, na­moy ny ainy, tetsy amin’ny fokontany Manjaka Ilafy, omaly maraina. Niala ny trano ny harivan’ny alakamisy teo, efa nosakanan’ny zanany izy. “Hitaky vola aman’olona no nialany tao an-trano tamin’ny 5 ora hariva”, hoy ny fanazavan-dRakotonarivo Njaka, andrimasom-pokonolona ao amin’ny fokontany. Niandry ny fiverenany ilay zanany. Tsy hita […]

RN7 : tratra ireo mpitoraka fiara

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Antanifotsy, afakomaly, ireo andian-jatovo mihetraketraka mpitoraka fiara sady mpanakan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Mody misotrosotro toaka ry zalahy ka rehefa mamomamo avy any amin’ny lanonana vao manao ny asa ratsiny. Ireo fiara mandalo no mitondra faisana amin’ny alalan’ny tora-bato. Misy ireo taksiborosy efa […]

Fianakaviana voaroba : ampangain’ny taim-bala ny mpitandro filaminana

Voaroba ny fianakaviana iray, omaly misasakalina. Nirefodrefotra ny basy. Fantatra tamin’ny laharan’ny taim-bala fa fitaovam-piadian’ny mpitandro filaminana no nampiasaina. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika tao Ambanimaso, fokontany Soavina, kaominina ambanivohitr’Ilaka Centre, dis­trikan’Ambositra, omaly misasakalina. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ny jiolahy miisa valo, nirongo fitaovam-piadiana. Nandraho­na sady nanambana basy […]

Ady tao anaty « Bar » : vaky ny vavan’ilay sefo Cisco

Naratra vokatry ny katro-doha sy ny totohondry nahazo azy ny lehiben’ny Cisco iray. Tompon’antoka ny lehiben’ny distrika teo aloha, niady taminy tao anaty trano fisotroana. Vaky loha, niafara tamin’ny fifampitoriana ny fifandirana teo amin’ny ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Marolambo sy ny lehiben’ny distrika teo aloha, ny alin’ny fetim-pirenena. Efa nahazo famindran-toerana […]

Fanafihana mitam-basy: roa lahy naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja, afakomaly, ireo roa lahy mitam-piadiana tra-tehaky ny zandary. Voasambotra tetsy Anosizato, ny alahady 2 jolay, izy ireo. Mpandeha nampiahiahy tao anaty taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Arivonimamo izy mirahalahy. Nanaitra ny mpitandro filaminana anefa ny fihetsik’izy ireo mahamahana. Natao ny fisavana, sarona teny aminy ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Basy […]