Malaza amin’ny fanolanam-behivavy ao an-tanànany i Dino. Noho ny tahotra, tsy sahy mitoroka ny lasibatra. Tratran’ny fokonolona izy, omaly. Voadaroka ka maty teny amin’ny hopitaly. Maty omaly maraina i Dino, jiolahy raindahiny amin’ny fanolanam-behivavy sy ny halatra isan-karazany. Tratran’ny mpiray tanàna aminy, tao amin’ny fokontanin’Andramena, any amin’ny distrikan’i Farafangana izy, […]
Tranga
Kitra ho an’olona 7 : tafapetraka ny vatofototra eny Betongolo
Tontosa omaly, teny amin’ny kianjan’ny Betongolo ny fametrahana ny vatofototra ho fananganana kianja filalaovam-baolina ho an’olona 7 (MDN Stadium Betongolo). Nanatanteraka izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ireo mpiara-miasa aminy. Fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika Malagasy, amin’ny alalan’ny ofisy miaramilan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina (OMSC), sy ny mpiara-miombon’antoka […]
Fifandonana mahery vaika: dahalo telo rotiky ny bala, tafaporitsaka ny namany
Samy voan’ny bala. Dahalo telo lahy maty rehefa nangalatr’omby, afakomaly. Karohina ny namany iray Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo telo lahy manamorina ny tanànan’ Androibe, kaominina ambanivohitra Ankerika, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io kaominina io, efa-dahy ireo dahalo. Nalainy teny an-tanimbary ny omby miisa roa. Nentiny nandositra. Niantso ny […]
Nahitana ratra ny lohany… : lehilahy hita faty nifatotra tongotra aman-tanana
Hita faty nentin’ny rano, tao ambanin’ny tanàna Valanady, kaominina Namorona, distrikan’i Manakara, omaly, ny lehilahy iray tokony ho 23 taona. Mbola hita teny aminy ny akanjony, saingy tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Araka ny fitsirihana nataon’ny dokotera, niaraka tamin’ny zandary, ny razana, nahitana ratra teo amin’ny lohany. Nifatotra tanana aman-tongotra […]
Ihosy : ankizilahy nisy naka an-keriny
Tafaporitsaka teo am-pelatanan’ireo telo lahy nandeha fiara 4×4 ny ankizilahy iray fito taona, ny talata teo, tao Ihosy. Avy any amin’ny faritra Soamatasy, Ihosy RN 13 ilay lasibatra. Araka ny filazany nandritra ny famotorana teny amin’ny zandary, fiara 4×4 iray miloko mena no nitondra azy. Teo am-piambenana omby izy no […]




