Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny teny Ambohimahitsy, ny Kameroney iray, 32 taona, mbola mpianatra, afakomaly maraina. Niaraka tamina vehivavy iray mpivarotena izy ka nony vita ny filany dia vola sandoka 10 000Ar no nomeny azy. Nahatsikaritra vehivavy iray mpivarotena nitomany teo amin’ny sampanan’Ambohimahitsy, fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakely, ny […]
Tranga
Ambatondrazaka : jiolahy roa lahy rotiky ny bala
Nanohitra polisy, maty voatifitra ny jiolahy roa raindahiny. Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy roa, tao Betanimena Bagdad, anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly alina. Mpanakan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-44 sady mamaky trano izy roa lahy ireto. Nanao hetsika manokana ny zandary avy ao amin’ny borigady Manakambahiny sy ny polisy. Tra-tehaka tamin’izany ireto jiolahy […]
Cash point voatafika : jiolahy roa maty voatifitry ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisin’ny Uir, taorian’ny fifampitifirana, ny jiolahy roa tao Tanambao Toliara, afakomaly atoandro. Avy nanafika Cash point iray izy ireo no nifanehatra tamin’ny polisy. Naka vola tamina Cash point iray, ao amin’ny fokontany Morafeno, ny raim-pianakaviana iray. Teny an-dalana ho any Maninday izy no nifanehatra tamin’ny jiolahy nirongo basy. […]
Hasarotam-piaro: lehilahy maty voatsindrona antsy
Voasambotra ny lehilahy iray nahavanon-doza ka nahafaty olona tao Ambohitrarahaba, ny 27 jona teo. Raim-pianakaviana 40 taona maty voatsindrona antsy nataon’io lehilahy voasambotra io. Noho ny hasarotam-piaro, nifamaly ireto roa lahy ireto. Nentin’ny hafanam-po, nampiasa antsy ny iray. Nolerany tamin’ny tendan’ilay raim-pianakaviana io antsy io. Naratra mafy, nentin’ny manodidina azy […]
Fialonana: matin’izy roa lahy ny reniny
Nialona ny zaodahiny izy roa lahy. Ny reniny no nanamparan’izy ireo ny hatezerany. Nodorana ny tranony. Notaperina ny ain’ilay renim-pianakaviana. Namoy ny ainy vokatry ny habibiana nataon’ny zanany roa lahy ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Mahavita, kaominina Vohitrandriana, distrikan’i Nosy Varika, ny alin’ny 26 jona teo. Nialona ny valilahiny […]




