Tranga

Fifampitifirana : jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy

Jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy, roa azo sambo-belona. Io no vokatry ny fifandonana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy mpangalatr’omby sady mpamono olona ao amin’ny faritr’Ihorombe, afakomaly. Ny faran’ny volana jona teo, nanafika tao amin’ny fokontany Ambaniandrefana, Ihosy, ireto jiolahy ireto. Olona iray maty nandritra ny fanafihana. Omby telo […]

Mpivady resin-tory: kilan’ny afo teo am-pandriana

Main’ny afo teo am-pandriana izy mivady ka mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Afom-patampera namanana akoho fiompy noho ny delestazy no nandoro trano. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ireo mpivady, may kila tao an-trano fonenany, ny sabotsy alina teo. Tao amin’ny fokontany Andranomadio Toama­sina Parisela 11/41, carreau “C” […]

Ampasika : jiolahy roa lavon’ny polisy, iray voasambotra

Rotiky ny balan’ny polisy ny jiolahy roa nandritra ny fifanjevoana tetsy Andranovaky Ampasika, ny alin’ny zoma 30 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa mifampitaona eny amin’ny toerana iray amin’io fokontany io ireo olon-dratsy, hanafika tsenam-barotra iray ao 67 ha. Nidina ifotony, nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy tokoa ny polisy. Nanao fihetsika […]

Fanaovana hosoka : zandary iray naiditra am-ponja

Zandary am-perinasa iray, mpanao hosoka amin’ny varotra simenitra, no naiditra am-ponja. Efa mpamerin- keloka izy, raha ny fanazavana avy amin’ny fitsarana. Nahafahana nanenjika azy ny fitorian’ny mpanjifa sy ilay orinasa lasibatra. Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’Am­ba­la­tavoahangy, ny 21 jona lasa teo, ny zandary milanja ny galona GHC iray, voarohirohy amina […]