Tsy fanarahan-dalàna. Moto enina miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra teny Ambohijatovo, naiditry ny polisy am-balam-pamonjana, omaly. Tsy fitandremana sy tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana tahaky ny nataon’ireo mitondra moto enina tratra ireo matetika no mitarika ny loza an-dalambe. Tafaverin’ny mpitandro filaminana tamin’ny tompony ireo omby fito lasan’ny jiolahy tany Maevatanàna. […]
Tselatra
TSELATRA
Tovolahy iray 17 taona tratra nangalatra fiara miisa roa teny Talata Volonondry, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Novakiany sy nosokafany tsirairay ireo fiara, nataony “contre-attaque” ary natosiny mora. Mbola saika hangalatra bateriana fiara Mercedes-Benz iray teny an-toerana izy saingy henon’ny mpiambina. Nandositra tany amin’ny toerana nisy ireo fiara saika hangalariny […]
TSELATRA
Pretra teratany vahiny namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana nanjo azy tao Manandona, Antsirabe, ny alarobia 21 mey teo. Nifandona tamin’ny kamiao ny fiara tsy mataho-dalana nentin’io niharan-doza io. Niezaka nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana ireo nanatri-maso saingy tsy tana ny ainy. Miasa ao Fianarantsoa io Pretra tra-doza io. Saron’ny […]
TSELATRA
Renim-pianakavina iray manana fahasembanana no maty an-drano teny amoron-dranomasina, tany Mahajanga, omaly. Nisaika teo amin’ny Bord de la mer akaikin’ny Chambre de commerce izy. Olona nilomano teny amin’ny manodidina no nahita azy ka nampiakatra ny razana. Efa nalefa eny amin’ny tranom-paty an’ny hopitaly Androva ny razana. Nahitam-bokatra ny hetsika manokana […]
TSELATRA
Lehilahy telo voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny UIR Tsaralalàna, tao anatin’ny roa andro. Tratra noho ny fihazonana sy fidorohana zava-mahadomelina tetsy Anosibe sy Anosizato Atsinanana izy ireo. Nandritra ny fisafoana sy fisavana amin’ny alina ataon’ny mpitandro filaminana no nahatrarana azy ireo. Nentina eny […]