Tselatra

TARATRY ny KANTO

Kabary sy kilalao malagasy. Mitohy hatrany ny fampianarana kabary sy kilalao malagasy, maimaim-poana, karakarain’ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny fikambanana Manda Mpikabary. Ahitana izany avokoa ny boriborintany enina ary ny ankizy latsaky ny 15 taona no misitraka izany. Tantara an-tsehatra. Any Ambatomirahavavy indray ny ekipan’ny Iray Fy’Art, ny 9 […]

FANTINA sy FINTINA

Vahaolan’ny Hafari ny Repoblika fahadimy, araka ny nambaran’ny filoha Rafanomezantsoa Jean Nirina, omaly. “Tsy olana na ahemotra aza aloha ny fifidianana ary atsangana ny fitondrana Tetezamita. Tena efa tsy mifanome hasina sy mifanaja ary mifandrahona isika izao”, hoy izy. Manahy korontana sy krizy ny Hafari. Mankasitraka ny dingana ataon’ny FFKM […]

TSELATRA

Namoy ny ainy taorian’ny faharatrany ilay tovolahy niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambohitri­manjaka, ny alahady teo. Nifandona tamin’ny fiara, tapaka ny fen’io lehilahy tra-doza io. Nentina novonjena teny anivon’ny hopitaly izy saingy tsy tana ny ainy. Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Romana 12 : 8 no nentin’ny Seg teo aloha, ny Jly Ravalomanana Richard namehy […]

INDRAY MIJERY

Nanaraka fiofanana ireo tomponandraikitra miady amin’ny aretina tazomoka ao amin’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka Atsinanana, ny faran’ ny herinandro teo. Distrika 4 no nisitraka izany dia Brickaville, Vatomandry, Antanambao manampotsy ary Marolambo. Niarahana tamin’ny tetikasa USAID/Access ny atrikasa fiofanana. Nisy ny fifaninanana tantara an-tsehatra amin’ ny teny frantsay nokarakarain’ny minisiteran’ny Fana­be­a­zam-pirenena. […]

Vaovao tambatra

Nifarana omaly ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny toekarena manga andiany voalohany, tao Morondava. Nisy ny fampahafantarana ireo fitaovana entina mandrindra ny fampiroboroboana ny hetsika amin’ny maha sehatra marolafy azy. Nivoitra tamin’ izany ny paikady enti-manatanteraka sy ny drafi-panajariana ary ny politika marolafy hitantanana ny ranomasina. Nizarana akohokely 6 000 […]